Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Shina: Mitandrema amin'ny QQ!

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Hanomboka endrika iraisam-pirenena amin'ny fampiharana QQIM tsy ho ela ny orinasan'ny Teknolojiam-baovao Shinoa, Tencent, mpandraharaha ny tolotra QQIM malaza. Hanampy hanitsy ny sehatra ara-barotra ny Fons Tuinstra avy ao amin'ny China Herald. Azo trohana ato ny dikan-teny anglisy.

Satria voasakana ny MSN sy ny twitter amin'izao fotoana izao, mahita ny sasany fa fahafahana tsara ho an'ny Tencent ny fanombohana ny endrika iraisam-pirenena. Na izany aza, ao amin'ny fiarahamonin'ny twitter Shinoa, maro ireo miantsoantso amin'ny namany : mitandrema amin'ny QQ! na mety hampigadra anao ny QQ!

Mitandrema amin'ny QQ!

Nampiasa QQ i Digitalboy mba hikarakara fivorian'ny mpiserasera aterineto ao Chengdu, Sichuan, tamin'ity volana ity. Voatery nahemotra ny fivoriana. Nampitandrina izy fa:

从成都解散聚会来看,绝不用QQ聊天。

Avy amin'ny zava-niainan'i Chengdu, azo antoka fa tsy tokony hampiasa QQ hanaovana karajia isika.

Nanatevin-daharana ny resaka i Adeyso ary nanipika fa nanasonia fifanaraham-piarahamiasa amin'ny fitsarana ambony Shinoa ny Tencent fa azo ampiasaina ho porofo ara-pitsarana ny tahirin-kevitra amin'ny karajia.

Nanana fahafahana nitsidika ny birao ao Shenzhen an'ny Tencent i Huyong tamin'ity herinandro ity, nitatitra tao amin'ny twitter momba ny fanazavan'ny mpitantana ny Tencent mikasika ny olana momba ny fiainana manokana izy:

腾讯的经理说:政府部门现在大量使用腾讯的即时通信工具和QQ群,因为腾讯工具的安全好、保密性强。而国际上的那些聊天工具,不论是MSN还是雅虎,都会经过中央情报局过滤。与之相比,腾讯公司不会截获用户信息,除非政府要求。

Nilaza ny mpitantana ny Tencent hoe: na ny sampan-draharaham-panjakana aza mampiasa ny fampiharana IM an'ny Tencent sy ny vondrona QQ satria manana fenitra ara-piarovana ambony ny fampiharana. Eo amin'ny tontolo iraisam-pirenena, hamela ny CIA hanivana ny hafatra rehetra ataon'ny mpiserasera ireo orinasa tahaka ny Yahoo sy ny MSN. Tsy hanao izany ny Tencent raha tsy mangataka ny governemanta.

Raha tsy matahotra ny higadra ianao …

Efa nogadrain'ny polisy nandritra ny tapa-bolana tamin'ny volana Jolay i Amoiist, nampitandrina ny namany ao amin'ny twitter izy. Tohizo ny fampiasana ny QQ raha tsy matahotra ny ho any am-ponja ianao.

警方当时不但通过QQ把我们几个一网打尽,而且警察曾经拿着厚厚的一叠我和游兄的聊天记录让我签字,我完全没有想到我和他说过如此多的话而且多数记录和本案没有直接关系,我拒绝签字,那位警察就说“你不签也没关系,我们有证据。

Hisambotra antsika amin'ny alalan'ny QQ ny polisy. Rehefa nogadrain'ny polisy aho, dia nangataka ahy ny polisy mba hanasonia antontan-taratasy misy ny tahirin'ireo karajia niarahana tamin'i Atoa. You. Tsy misy ifandraisany amin'ny raharaha ny ankamaroan'ilay karajia ka tsy nety nanasonia aho. Nilaza ny polisy fa na dia tsy nanao sonia aza aho dia nanana porofo ampy momba ny raharaha izy ireo.

Nitatitra ihany koa ny mpisera Twitter iray hafa (arovana ny momba azy) fa nosamborin'ny polisy teo an-toerana izy noho ny fikarakarana fivoriana misy endrika politika, ary nandritra ny fitazonana azy dia nanao sonia lahatahirin'ny karajia QQ tao amin'ny paositry ny polisy izy.

secretaryzhang naneho hevitra tao amin'ny olomangan'ny QQ an'ny Tencent:

腾讯QQ这款产品看起来是一只温顺的脑残企鹅,但它真身实际是一直机敏的党国猎鹰。

Ny olomangan'ny QQ ao amin'ny Tencent dia mitovy amin'ny “pingouin” malefaka sy adala. Saingy raha ny tena marina dia voromahery mpihaza miasa ho an'ny Antoko Kominista Shinoa sy ny governemanta izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.