Voasakana tany Goatemala ny WordPress.com

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Manaiky ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny alalan'ireto teny manaraka ireto ny andininy faha-35 ao amin'ny Lalàm-panorenana Politika ao amin'ny Repoblikan'i Goatemala : Azo atao ny maneho hevitra malalaka amin'ny alàlan'ny fitaovana fampitam-baovao rehetra tsy misy fanivanana na fanomezan-dàlana mialoha. Tsy azon'ny lalàna na ny didim-panjakana ferana ity zo ara-dalàmpanorenana ity .

Saingy, ankehitriny (2009) anefa dia toa tsy miraharaha ireo lalàna ireo ny mpamatsy tolotra aterineto CLARO/TELGUA, TIGO ary Turbonett, izay mpamatsy tolotra aterineto malaza indrindra any Goatemala (ISPs). Nanao tatitra momba ny fanakanana ny fidirana amin'ny WordPress ireo mpisera Goatemalteka. Niantso ny sampan-draharaha misahana ny mpanjifa ary nibilaogy momba izany i El Abismo de Tux ary nilaza fa tsy nahazo valiny mazava avy amin'izy ireo.

Nitatitra ny fidirana voasakana ho an'ny bilaogy maro nampiantranoin'ny WordPress i Demuexter. Nanameloka ny sivana tao Goatemala Homo Homini Lupus ary bilaogy hafa sy sioka maro no nangataka ny fanajana ny fahalalahana maneho hevitra any Goatemala. Nitatitra momba ny fanakanana ny WordPress  ihany koa i Micha Micha.

Tsy mbola nitatitra ny zava-nitranga ny gazety lehibe indrindra ao Goatemala. Niantso ny biraon'ny mpiaro ny mpanjifa ny bilaogera hafa saingy valiny vitsivitsy ihany no azon'izy ireo. Ity fanakanana ity dia niseho taorian'ny krizy ara-politika tamin'ny volana lasa (May 2009), rehefa nampiasaina ny tambajotra sosialy hanaovana hetsi-panoherana manohitra ny governemanta sy hitakiana ny rariny.

Eo ambanin'ny tenirohy #bloqueowp no ahitanao ny vaovao farany momba izany ary nampiasa ny Herdict mba hitaterana ny momba ilay habaka voasakana ireo Goatemalteka manampahaizana an-tserasera sasantsasany.

Antenaina fa hanatsahatra ny fanakanana ireo tranonkala ny manampahefana sy orinasa tsy miankina ka hanaja ny zon'ny mpanjifa sy olom-pirenena Goatemalteka amin'ny hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.