Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

02 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 02 Febroary 2019

Mety hiatrika fiampangana heloka bevava ny Ben'ny tanànan'i Odessa taorian'ny nanehoan'ny mpiambina azy herisetra tamin'ny mpanao gazety iray tao an-toerana

Tsy ity ihany no tranga vao haingana indrindra nahitana an'i Trukhanov na ny olona eo ambany fahefany nanao herisetra tamin'ireo mpanao gazety.

Shina: Nahazo onitra ireo mpiserasera nogadraina 150 andro

Nilaza ny vaovao Xinhua tamin'ny 31 aogositra fa nahazo onitra 16 arivo RMB (manodidina ny 2.200 dolara) i Duan noho ny fitazonana azy naharitra 150 andro. Ny mpiraki-kevitry ny vahoaka nandoa (11.798 yuan) ary ny polisy eo an-toerana nandoa (5.000 yuan).

Shina: Mitandrema amin'ny QQ!

Satria voasakana ny MSN sy ny twitter amin'izao fotoana izao, mahita ny sasany fa fahafahana tsara ho an'ny Tencent ny fanombohana ny endrika iraisam-pirenena. Na izany aza, ao amin'ny fiarahamonin'ny twitter Shinoa, maro ireo miantsoantso amin'ny namany : mitandrema amin'ny QQ! na mety hampigadra anao ny QQ!

Voasakana tany Goatemala ny WordPress.com

Manaiky ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny alalan'ireto teny manaraka ireto ny andininy faha-35 ao amin'ny Lalàm-panorenana Politika ao amin'ny Repoblikan'i Goatemala. Saingy, ankehitriny (2009) anefa dia toa tsy miraharaha ireo lalàna ireo ny mpamatsy tolotra aterineto.

Iran: Nilaza i Ahmadinejad fa tokony hanana zo hiaro tena ny bilaogera 

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ny lazain'ny fampitam-baovao Iraniana, nanambara ny filoha Mahmoud Ahmadinejad fa tokony hanana zo hiaro tena i Hossein Derakhshan, bilaogera Iraniana nogadraina sy i Roxana Saberi, mpanao gazety Amerikana-Iraniana izay voasazy higadra 8 taona an-tranomaizina.