- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Tanzaniana nogadraina noho ny fanamboarana sary manala-baraka

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Nitatitra [1] ny The Nairobi Chronicle miatrika sazy any am-ponja ny bilaogera Tanzaniana iray taorian'ny namoahany sary nasiam-panamboarana mampiseho ny filohan'i Tanzania, Jakaya Kikwete manao firaisana ara-nofo.

Araka ny filazan'ny Habari Leo [2] gazety Tanzaniana [sw], nitady fanampiana tamin'ny Interpol ny polisy ao amin'ny firenena mba hamantatra ireo tompony sy mpamoaka ny bilaogy.

Nampahafantatra ny tenany tamin'ny famoahana fifangaroana fifosana ataon'ny Tanzaniana any ampielezana, sary vetaveta sy miboridana misy ireo olona fanta-daza, ary koa lahatsoratra manala-baraka anaran'olona ny Ze utamu (www.zeutamu.com), izay angamba bilaogy mampiadi-hevitra be indrindra ao Tanzania. Raha nahasarika mpamaky marobe izany, dia nahasarika tsikera ihany koa ny bilaogy.

Mihevitra ireo bilaogera sasany fa tsy niraharaha ireo manampahefana rehefa navoaka tao amin'ny ze utamu ny lahatsoratra momba ny olom-pirenena tsotra. Toy izao ny fanehoan-kevitra avy amin'ny lahatsoratra bilaogy ao amin'ny Watanzania Oslo blog [3] izay namoaka ny lahatsoratr'i Habari Leo mikasika ny fihazan'ny polisy ireo tompon'ny bilaogy ze utamu:

Mtandao huu wa ze utamu umkuwepo kwa muda mrefu sana na watu wengi wasio na hatia (raia wa kawaida) wamedhalilishwa sana kupitia mtandao huo kwa picha zao kuwekwa bila ridhaa yao. nyingi ya hizo picha ni za utupu na hata zile ambazo siyo za utupu ziliwekwa bila ridhaa ya wahusika. hivi kuwekwa picha ya rais Kikwete ndo kile chombo kinachojifanya cha usalama kinakurupuka kuwasaka wenye mtandao? […]unafiki mkubwa na ufisadi aina nyingine huu. kudhalilishwa ni kudhalilishwa, ama iwe ni raia tu, kiongozi wa kawaida na hata rais.

Efa ela no nisy ny ze utamu ary maro ny olona tsy manan-tsiny (olom-pirenena tsotra amin'ny ankapobeny nalaina baraka tamin'ny alalan'ity tranonkala ity rehefa navoaka tsy nisy ny fankatoavan-dry zareo ny sarin'izy ireo. Ny ankamaroan'izy ireo dia sary miboridana ary na dia ireo izay tsy sary miboridana aza dia navoaka tsy nisy alalana koa. Marina fa tamin'ny famoahana ny sarin'ny filoha ihany no nanosika ity andrim-panjakana ity hilaza fa sampana misahana ny fiarovana sy ny fitsipika izy ary milaza ny hikaroka ireo tompon'ny tranonkala? […] fihatsarambelatsihy izany, ny fanalam-baraka olona dia midika fanalam-baraka olona, na olom-pirenena tsotra izy ireo, na mpitarika na koa filoha mihitsy aza.
Noresahan'i Happy Katabazi [4] ihany koa izany resaka izany:

… wiki hii katika mtandao wa www.zeutamu.com mtandao ambao umejipambanua kwa ajili ya kupachika picha za utupu za watu wa kada zote na wanaotembelea mtandao huo huchangia mawazo yanayohusu maisha binafsi ya faragha za watu…
Na wakati mtandao huo ukiendelea kujipambanua mamlaka husika zimekuwa zikiukenulia meno mtandao huu hadi wiki hii ulipotundika picha ya kumdhalilisha rais wetu, ndipo mtandao huo umedhibitiwa kwani hivi sasa hata ukiufungua haufunguki.

… Lasa malaza ny tranonkala www.zeutamu.com, tamin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'ireo olona miboridana avy amin'ny sarangam-piainana rehetra, raha manome ny heviny mikasika ny fiainana manokan'ny olona kosa ireo mitsidika ny tranonkala…
Ary raha lasa nalaza be kokoa ny tranonkala, dia [tsy nanao zavatra betsaka] akory ny manampahefana raha tsy niseho ny sary manala-baraka ny filohantsika tamin'ity herinandro ity, ary ankehitriny dia eo ambany fifehezany ny tranonkala, eny fa na dia rehefa manendry ny pejy (misy ny sary) aza ianao, dia tsy misokatra izany.

Nandritra ny lazan'ny ze utamu, nanomboka fanentanana hampitsahatra ny bilaogy, toy ny Anti-utamu [5] [sw] ireo bilaogera sasany.

Raha mbola mitohy ny fikarohana ataon'ny polisy ary na dia manana mpamaky marobe talohan'ny fanjavonany aza, dia sarotra hita ireo bilaogera sy  mpamaky izay manohana mivantana ireo tompon'ny Ze Utamu – farafaharatsiny amin'izao fotoana hanoratana ity lahatsoratra ity izao.