- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanangana bilaogy miisa 40 ny IRGC, mpiambina revolisionera Iraniana

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009)

Nanambara [1] ny IRGC (Mpiambina Revolisionera Iraniana) fa bilaogy efapolo mahery no natsangana hiadiana amin'ny fahavalon'ny IRGC ao amin'ny sehatra antserasera. Natao tao an-tanànan'i Arak, any amin'ny faritany atsimo-andrefana ao Markazi ity hetsika ity.

Natsangana ireo bilaogy vaovao ireo mba hamoahana ny foto-pisainan'ny IRGC ary mikendry ny hanova ny toe-tsain'ny olona. Ankoatra izany, dia natao ireo bilaogy ireo hisoroka ny olana Iraniana amin'izao fotoana izao mba tsy hiadian-kevitra an-tserasera fa hanolo azy ireo amin'ny propagandin'ny governemanta.

Tsara homarihana fa nanambara ny fananganana bilaogy 10.000 [2] ho an'ny vondrotafika milisy Basij ny Mpiambina ny Revolisionera Islamika tamin'ny faran'ny taona 2008 “mba hifehezana ny aterineto sy ireo fitaovana nomerika hafa anisan'izany ny SMS”.