- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Niakatra fitsarana ilay bilaogera nogadraina izay anisan'ny bilaogera tanora indrindra eto amin'izao tontolo izao

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitatitra [1] ny Reporters Sans Frontières (RSF) fa niakatra fitsarana teo anoloan'ny fitsarana revolisionera any an-tanandehibe Amol any avaratra ilay bilaogera nogadraina izay tanora indrindra amin'ireo bilaogera eto amin'izao tontolo izao, antsoina hoe Navid Mohebbi, 18 taona, ary tsy azon'iza na iza natrehana. Tsy navela hanatrika ny fitsarana koa, izay nanomboka ny 14 Novambra 2010 na ny mpisolovavany azy aza .