Janoary, 2019

Tantara tamin'ny Janoary, 2019

Iran: Nosivanina ny tranokalam-baovao Jahan

GV Mpisolovava  29 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny bilaogy sy tranonkala Iraniana marobe fa ny tranonkala ao Iran Jahannews (midika hoe vaovao eran-tany) dia voasivana taorian'ny namoahany taratasy iray, nosoratan'ny mpikambana parlemantera Iraniana, izay nitsikera an'i Saeed Mortazavi , ilay lehiben'ny mpampanoa lalàna ao Teheran. Niresaka...

Shina: Hetsika antserasera manohitra ny CNNIC

GV Mpisolovava  29 Janoary 2019

Nametraka tranonkala fanoherana antsoina hoe FuckCNNIC ny vondrona webmasters mba hanoherana ny politika vao haingana izay mandràra ny olona tsy hisoratra anarana aminny anaran-tsehatra CN.

Rosia: Tsy hita ireo mariky ny vidin'entana tao amin'ny tempoly

Tsy nijanona tao amin'ny toerana intsony ny lisitry ny vidin'entana ho an'ny tolotra ara-barotra nomena tao amin'ny [Katedralin'ny Kristy Mpamonjy ao Moskoa], izay napetrak'ireo bilaogera mba hahafaly ny masontsika elaela kokoa. Tsy mbola feno herinandro akory dia efa nesorina mangingina tsy ho hitan'ireo mpiserasera ny lisitry ny vidin'entana.