- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vietnam: Bilaogera voasambotra noho ny fitsikerana an'i Shina

Sokajy: Vietnam, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Mbola mitohy ny famoretana ataon'i Vietnam amin'ireo bilaogera. Vao marainan'ny 3 septambra, nosamborin'ny mpitandro filaminana mitam-piadiana ilay bilaogera Nguyen Nhu Quynh, natory niaraka tamin'ny zanany kely. Tamin'ny volana Jolay, nosamborina noho ny fikatrohany amin'ny fahalalaham-pitenenana ilay bilagera Nguyen Tien Trung [1].

Araka ny filazan'ny Reporters Sans Frontières [2]

“The Vietnamese authorities have arrested another blogger, Nguyen Ngoc Nhu Quynh, who follows Bui Thanh Hieu (a blogger arrested on 27 August), Pham Doan Trang (28 August), Nguyen Tien Trung (July) and Dien Cay (April 2008). She was arrested at around midnight on 1 September on charges of violating national security laws and “interfering in state interests.””

“Nisambotra bilaogera iray hafa, Nguyen Ngoc Nhu Quynh, izay manaraka an'i Bui Thanh Hieu (bilaogera iray nosamborina tamin'ny 27 Aogositra), Pham Doan Trang (28 aogositra), Nguyen Tien Trung (Jolay) sy Dien Cay (Avrily 2008) ny manampahefana Vietnamiana. Nosamborina izy tamin'ny misasakalina tamin'ny 1 Septambra noho ny fiampangàna azy ho manitsakitsaka ny lalàna mifehy ny fiarovam-pirenena sy “manohintohina ny tombontsoam-panjakana.” “

Nitsikera an'i Shina tao amin'ny bilaoginy i Quynh, izay mibilaogy eo ambanin'ny anarana hoe “Me Nam”. Niantso ny governemantany izy mba hanakana ny tetikasa fitrandrahana bauxite izay tarihin'ny orinasa Shinoa amin'ny ampahany betsaka ary naneho hevitra ihany koa momba ny fifandirana eo amin'i Vietnam sy i Shina mikasika ny nosy Spratly sy Paracel ao amin'ny ranomasina atsimo ao Shina .Nolavin'i Quynh ny fitakian'i Shina ho fananany ireo faritra ireo.

Nitatitra ny Reuters [3] fa amin'ny fibilaogina manohitra an'i China, mpikambana amin'ny “fanentanana t-shirt” manohitra an'i Shina ihany koa i Quynh.

“They promoted a campaign to print and give away T-shirts that said “SOS, keep green and keep Vietnam's security” and “Stop bauxite. No China. The Spratlys and Paracels belong to Vietnam.””

“Nampiroborobo fanentanana izy ireo mba hanonta sy hizara T-shirts milaza hoe” SOS, tazony ny maitso ary tazomy ny filaminana ao Vietnam ” sy “Atsaharo ny bauxite. Tsy mila an'i Shina. Vietnam no tompon'ny Spratlys sy Paracels “”

Nosamborina ihany koa ilay bilaogera Bui Thanh Hieu izay nandray anjara tamin'ny “fanentanana t-shirt” saingy navotsotra avy eo.

Mandritra izany [4], nangataka ny famotsorana azy ny renin'i Quynh.

“”Help us to get her free!” Nguyen Thi Tuyet Lan told AFP in a tearful telephone conversation from the southern coastal city of Nha Trang, where her daughter Nguyen Ngoc Nhu Quynh, 30, has been held since Wednesday.”

“” Ampio izahay mba hanafaka azy! “hoy i Nguyen Thi Tuyet Lan nilaza tamin'ny AFP tamin'ny resaka an-tariby avy any an-tanàna amorontsiraka atsimon'i Nha Trang, izay nitazonana ny zanany vavy, Nguyen Ngoc Nhu Quynh, 30 taona nanomboka ny alarobia .”