- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy misy mandeha ny tranonkalan'ny governemanta Liberia, ary tsy misy miraharaha

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Ny alin'ny 24 Aogositra. Niditra tamin'ny tranonkalan'ny governemanta miisa 19 ireo mpijirika S.W.A.T [1] (azo inoana fa ekipa Iraniana), ka anisan'izany ny tranonkalan'ireo minisitera rehetra. Nikatona avokoa noho ny fanamboarana mandritra ny telo andro ny ankabeazan'ireo tranonkala ireo.

Saika ny tranonkalan'ny governemanta rehetra ao Liberia no tsy nandeha nandritra ny andro maromaro. Saingy rehefa mameno ny arabe ao Monrovia renivohitra ny fako, dia iza no miahy ny aterineto?

Sarotra ny mieritreritra firenena iray anaty aterineto izay mahavita tsy miraharaha mihitsy ny faharavan'ny tranonkalan'ny governemantany, mandritra ny ora sy ny andro maromaro.

Saingy, ity tranga ity dia maneho ny halalin'ny hantsana nomerika eo amin'ireo firenena any Afrika sy ny sisa amin'izao tontolo izao. Hita fa mbola misy toerana eo amin'izao tontolo izao, izay mitovy amin'ny fianjeran'ny hazo any amin'ny ala tsy misy na inona na inona ny faharavana ankapoben'ny tranonkalan'ny governemanta.

Vakio ny resadresaka [2] miaraka amiko ao amin'ny Haaretz isan'andro manomboka ny 27 Aogositra. 2009 (amin'ny teny Hebreo).