Tantara tamin'ny 31 Janoary 2019
Ny fiavotan-tenan'ireo Kristiana vitsy an'isa lasibatry ny fanafihana ao Yemen
Yemenita niova fo ho Kristiana i "Galileo" telo taona lasa izay. Nosamborina sy nampijaliana izy ary miaina anatin'ny tahotra amin'ny famonoana ny ainy izy ankehitriny .
Tsy misy mandeha ny tranonkalan'ny governemanta Liberia, ary tsy misy miraharaha
Ny alin'ny 24 Aogositra. Niditra tamin'ny tranonkalan'ny governemanta 19 ireo mpijirika S.W.A.T (azo inoana fa ekipa Iraniana), ka anisan'izany ny tranonkalan'ireo minisitera rehetra. Nikatona avokoa noho ny fanamboarana mandritra ny telo andro ny ankabeazan'ireo tranonkala ireo.
Syria: Voasazy higadra telo taona any am-ponja ilay bilaogera Kareem Arbaji
Ny 13 Septambra 2009, nosazian'ny Fitsarana Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena Syriana higadra telo taona an-tranomaizina ilay tanora bilaogera Kareem Arbaji noho ny "famoahana vaovao diso mety hamparefo ny fitondrantenan'ny firenena", araka ny andininy faha # 286 amin'ny fehezan-dalàna famaizana Syriana.
Shina : Famoronana tarehintsoratra Han vaovao
(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Vao tsy ela akory izay no nanambara ny firindran’ny endriky ny sarin’ny tarehintsoratra Han miisa 44 ny Minisiteran’ny fanabeazana ao amin’ny...
Vietnam: Bilaogera voasambotra noho ny fitsikerana an'i Shina
Mbola mitohy ny famoretana ataon'i Vietnam amin'ireo bilaogera. Vao marainan'ny 3 septambra, nosamborin'ny mpitandro filaminana mitam-piadiana ilay bilaogera Nguyen Nhu Quynh, natory niaraka tamin'ny zanany kely. Tamin'ny volana Jolay, nosamborina noho ny fikatrohany amin'ny fahalalaham-pitenenana ilay bilagera Nguyen Tien Trung.
Maraoka : Nosamborina ilay bilaogera Bachir Hezzam
Natsangana hanohanana ilay bilaogera nogadraina tao amin’ny fonjan’i Goulmim any Atsimon’i Maraoka ny vondrona iray tao amin’ny Facebook . Voampanga ho namoaka tao amin’ny bilaoginy ‘’AI Boushara’’ (‘’Ny vaovao mahafaly’’) ny fanambarana momba ny firotsahan’ny polisy an-tsehatra tamin’ny mponina iray tao Goulmim izy.
Nahena ho 20 taona ny sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh
Nofoanan'ny fitsarana avo Afghana ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatry ny asa fanaovan-gazety izay voampanga tamin'ny fanevatevana noho ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy eo ambanin'ny finoana Islamo . Saingy mbola nanameloka azy hisazy 20 taona an-tranomaizina ireo mpitsara.
Thailandy: Nakaton'ny MICT ny “Liberal Thai”!
Vao avy nahita tranokalam-baovao amin'ny teny Thailandey Liberal Thai nakaton'ny proxy mangarahara mitodra ny mpiserasera mankany amin'ny minisiteran'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana ao Thailandy izahay.
Shina: Hetsi-panoherana vahiny maromaro, notohanan'ny fitaovana 2.0
(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Iray amin'ny (angamba) lahatsoratra farany momba ny hetsi-panoherana alohan'ny hiverenantsika indray amin'ny lohahevitra eto; ny voalohany dia ny solon'anaran'ny...