- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Bilaogera roa voasazy

Sokajy: Azerbaijan, Hafanam-po, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2009)
hands_off11

Araka ny efa natahoran'ny ankamaroan'ny mpanohana azy ireo, dia efa nanameloka an'i Adnan Hajizade [1] sy Emin Milli [2] sahady ny fitsarana iray any Baku, Azerbaijan ary ny andro nanaovana ny adihevitra momba ny raharaha [3] hanenjehana ireo tanora mpikatroka roa amin'ny fibilaogina lahatsary.

Niparitaka tao amin'ny Twitter ny didim-pitsarana sy ny fihetseham-po voalohany.

Media Helping Media  naneho hevitra haingana momba ny sazy: [4]
tweet

According to supporters tweeting from the court, the lawyer for Hajizade, Isahan Ashurov, said the case was about power.

“Today we witness the unfair struggle of mind and physical power.” “Today we witness the unfair struggle of mind and physical power.”

[…]

Supporters have tweeted that Hajizade said the decision was built on lies.

Araka ny nolazain'ireo mpanohana nisioka tao amin'ny fitsarana, nilaza ny mpisolovavan'i Hajizade, Isahan Ashurov fa resaka fahefana ilay raharaha.

“Nanatri-maso tolona tsy ara-drariny eo amin'ny herin'ny fanahy sy ny tanjaka ara-batana isika androany.”
“Nanatri-maso tolona tsy ara-drariny eo amin'ny herin'ny fanahy sy ny tanjaka ara-batana isika androany.”

Nisioka ireo mpanohana fa naorina tambonin'ny lainga ny fanapahan-kevitra araka ny filazan'i Hajizade.

Flying Carpets and Broken Pipelines nandinika ny didim-pitsarana ihany koa [5] ary nilaza fa “tsy farany izao, fa vao fiandohana ihany.”

Today at the end of the hearing, Emin said he is feeling proud and thats why he is ready to accept the verdict given to him. Adnan, questioned how alleged witnesses will look into the eyes of their families- we will be done with our sentences but I wonder how they are going to live a life built on lies… They both showed their strength to us, we must to the same in return.

Androany tamin'ny fiafaran'ny fotoam-pitsarana, nilaza i Emin fa mahatsiaro afa-po izy ary izany no mahatonga azy vonona hanaiky ny didim-pitsarana nomena azy. Adnan, indray nanontany ny amin'ny fijerin'ireo lazaina fa mpijoro vavolombelona ny mason'ny fianakavian'izy ireo- vita ny aminay noho ny sazy azonay saingy manontany tena aho hoe ahoana no iainan'izy ireo fiainana miorina amin'ny lainga… Samy nampiseho ny heriny taminay izy roa tonta, tsy maintsy manao izany koa izahay ho setrin'izany.

Mandritra izany, dia namoaka fanambarana vonjimaika [6] ny World Blogging Forum voalohany ao Bucharest, Romania.

We, the bloggers, will promote a world in which Internet users shall enjoy freedom of speech and belief and freedom from fear and repression in any form.

The bloggers united in Bucharest at the World Blogging forum are worried about the situation in Azerbaijan and support #EminAdnan as a Free Voice of the Internet and as a member of the World Blogging Family.

Izahay, bilaogera, dia hampiroborobo tontolo izay ahafahan'ny mpampiasa aterineto hankafy fahalalahana miteny sy finoana ary ny fahafahana amin'ny tahotra sy ny famaizana amin'ny endrika rehetra.

Manahy mikasika ny toe-draharaha ao Azerbaijan ireo bilaogera tafaray eto Bucarest ao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra momba ny fibilaogina eran-tany (World Blogging forum) ary manohana an'i #EminAdnan amin'ny maha-Feo Malakaka amin'ny Aterineto sy mpikambana ao amin'ny Fianakavian'ny Bilaogy Manerantany.

Nahita an'i Parvan  [7]Persiani  [7]OL! tanora mpikatroka sady sipan'i Hajizade nandritra ny valandresaka omaly ny Global Voices .

Ho avoaka eny ihany ny vaovao farany. Mandritra izany, azo jerena ao amin'ny sehatra Azerbaijan [8]ao amin'ny Global Voices sy ao amin'ny OL! Bilaogy (amin'ny teny Anglisy [9] sy Azeri [10]) ny fitantarana feno momba ny fisamborana, fitsarana ary fanagadrana an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli. Ampiasaina ao amin'ny Twitter ihany koa ny tenirohy #EminAdnan [11].