- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Adiny iray taorian'izay, nisy naka izy

Sokajy: Shina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Fisamborana bilaogera iray hafa, kisendrasendra fotsiny tamin'ity indray mitoraka ity no nahitanay izany. Andro vitsivitsy taorian'ny famaranana ny WordCamp China 2008 [1], tao Beijing i Wen Yunchao, [2] ilay olon-tsotra mpitati-baovao sady toniandahatsoratry ny tranonkala iray ary namoaka ny lahatsoratra hoe ‘Adiny iray taorian'izay, nisy naka izy [3]‘:

This morning Mr. Peng came looking for me; I'd recommended his Missing Persons blog a while back. He's pretty helpless, but there's not much I can do for him. At 8:30 while we were chatting in the lobby, someone was watching us.

I gave him Liu Xiaoyuan [4]‘s phone number, thinking he'd be needing it.

An hour later, he was taken away. He's being held at “Fuyou St. police station detainment center, across from #18 Xirongxian Hutong [5]“. He sent me an SMS saying, “one of our parents has been beaten and is injured, I've been beaten too,” and “they've burnt some of our papers.”

The weather's great in Beijing today, the sky's really blue.

Tonga hitady ahy Atoa Peng tamin'io maraina io; Nandrisika ny olona hijery ny bilaoginy Olona Very aho andro vitsy lasa izay. Tsy afa-manoatra izy, saingy tsy misy na inona na inona azoko atao ho azy. Tamin'ny 8 ora sy sasany raha mbola nifampiresaka tao amin'ny efitra fiandrasana izahay dia nisy olona nijery anay.

Nomeko azy ny laharan'ny findain'i Liu Xiaoyuan [4] satria noheveriko fa mila izany izy.

Adiny iray taorian'izay dia nalaina izy. Notanana tao amin'ny “foiben'ny polisy tao Fuyou St., eo ampitan'ny #18 Xirongxian Hutong [5]“. Nandefa hafatra SMS tamiko izy nilaza hoe: “Nodarohana sy naratra ny iray tamin'ireo havantsika ary nodarohana ihany koa aho”, ary “nodorany ny sasany tamin'ireo taratasy (momba anay).”

Tsara ny andro eto Beijing amin'izao fotoana izao ary tena manga ny lanitra.

Mitantana bilaogy fanta-daza [6] natokana hanampiana ny ray aman-dreny hahita ireo zanany nalaina an-keriny sy namidy [7] i Peng Wenle.

[8]