- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: tranonkala iray mpandala ny nentin-drazana voabahana (namoaka diplaoma sandoka an'ny minisitra iray)

Sokajy: IrĂ na, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Voasivana ny Alef [1], tranonkala Iraniana iray mpandala ny nentin-drazana andro vitsy lasa izay (Aogositra 2008). Tranonkala sy bilaogy maro no nitatitra fa namoaka [2] ny mari-pahaiza (Ph.D) “sandoka” avy any Oxford an'ny Minisitry ny Atitany Iraniana ny Alef ary nahitana fahadisoana maro tamin'ny teny Anglisy izany.