Fantaro i Ruben Hilari Quispe, mpampiatrano ny kaonty Twitter @ActLenguas manomboka ny 28 Janoary ka hatramin'ny 3 Febroary 2019

Sary nomen'i Ruben Hilari Quispe

Amin'ity taona 2019 ity izahay manasa mpampiatrano isan-karazany hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas (Fahavitrihanteny) ary hizara ny zava-niainan'izy ireo amin'ny famelomana indray sy ny fampiroboroboana ny tenin-drazan-dry zareo. Ity horirana ity miresaka momba an'i Ruben Hilari, sy izay kasainy horesahana mandritra ny herinandro amin'ny maha-mpampiatrano azy.

Rising Voices (RV): Lazalazao anay ny momba anao.

Soy Ruben Hilari Quispe (Jilalu Qhisphi en aymara) de la nación aymara de los andes, vivo en una ciudad nueva y creciente que radican en su mayoría aymaras, El Alto. Otras personas me denominan como ciberactivista aymara. Bueno estamos y participamos de todas las actividades que pueda fortalecer nuestra lengua y cultura QULLAN AYMARA.

Izaho no Ruben Hilari Quispe (Jilalu Qhisphi amin'ny teny Aymara) avy amin'ny firenena Aymara avy amin'ny Ry Andes, monina ao El Alto, Bolivia aho, tanàna vaovao sy mihalehibe izay Aymara no betsaka ao. Misy olona hafa miantso ahy ho Aymara mpikatroka an-tserasera. Mandray anjara amin'izay karazana hetsika rehetra ahafahana manamafy orina ny fiteny sy ny kolontsaina QULLAN AYMARA izahay.

RV: Manao ahoana ny fiteninareo ato amin'ny aterineto sy ivelan'ny serasera?

La lengua qullan aymara está creciendo en la red de redes, aunque sin el apoyo de los gobiernos los usuarios aymaras adaptamos estos medios para usar nuestra lengua. Fuera de línea la situación aún no se ha posesionado como debería, pese a un gobierno indígena. Se puede decir que hay una población de millones de hablantes quienes transmiten muy poco a las próximas generaciones. El gobierno, los hablantes y la academia debería unirse para fortalecer juntos, pero aún no ocurre aquello.

Mihamivelatra ny fiteny Aymara ato amin'ny tambajotran'ny tambajotra, na dia tsy mahazo fanohanana avy amin'ny governemanta aza. Mandray sy mampiasa itony fitaovana ity ny Aymara mpisera hampiasaina ny fiteninay. Mbola tsy mivadika araka ny tokony ho izy ny toe-draharaha, na dia efa misy aza ny governemanta tompotany. Azolazaina hoe misy mponina an-tapitrisany mampita ny kely dia kely indrindra amin'ny taranaka manaraka. Tokony hiara-miasa ny governemanta, ny mpiteny, ary ny akademia mba hifampaherezana, saingy mbola tsy mitranga izany.

RV: Lohahevitra manao ahoana no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @ActLenguas ?

Durante la semana mostraremos a la población y los seguidores todas las actividades y datos sobre la lengua aymara actual. También responderemos a las preguntas de los usuarios. Tenemos bastantes actividades planificadas para fortalecer nuestra lengua y cultura en 2019.

Mandritra ny herinandro isika hampiseho amin'ny mponina sy ny mpanjohy ny hetsika rehetra sy ny lahatahiry momba ny fiteny Aymara. Hamaly ny fanontanian'ny mpisera ihany koa izahay. Manana hetsika efa vita kinasa izahay hanamafisana ny fiteny sy ny kolontsainay mandritra ny taona 2019.

RV: Inona no hery mpanetsika lehibe indrindra anao mahatonga anao havitrika an-tserasera amin'ny fiteninao?

Nuestras lenguas consideradas minoritarias pueden llegar a ser lenguas de prestigio si se empodera a los hablantes y si se da uso en todas las situaciones de la vida diaria de los hablantes.

Mety ho lasa fiteny mamirapiratra ny fiteninay heverina fa an'ny vitsy an'isa rehefa omena vahana (fankaherezana) ny mpiteny azy ary ampiharin'ny mpiteny azy amin'ny toe-javatra rehetra iainany andavanandro ny fiteny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.