- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahoana no mbola monina any amin'ny hotely foana ireo Armeniana nifindra monina, 30 taona taorian'ny nandosirany an'i Azerbaijan?

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana

Ny hotely Naira any Yerevan, fonenan'ny mpitsoa-ponenana avy any Azerbaijan. Sary nalaina [1] tao amin'ny Chai-Khana.org. Nahazoana alalana.

Ity manaraka ity dia tantara [1] avy amin'ny Chai-Khana.org [2] ary navoakan'ny  Global Voices eto indray noho ny fifanarahana fiaraha-miasa. Avy amin'i Aren Melikyan [3] sy Hermine Virabian [4] ny lahatsoratra sy ny lahatsary  .

Ankehitriny, fonenan'ny taranaka nifandimby telo ity trano fandraisam-bahiny ity, anisan'izany ny zafikely sy ny zanak'ireo olona voatery nitsoaka an'i Azerbaijan tamin'ny taompolo 1980, nandritra ny vanim-potoana mialoha ny ady tany Karabakh. Na dia teo aza ny fiandrasana dia tsy very fanantenana izy ireo fa homena trano fonenana any Armenia indray andro any.

Nandritra ny taona maro, tsy nisy nihaino ny ankamaroan'ny antso sy ny taratasy fangatahana fanampiana nataon'izy ireo. Na dia ireo nahazo valiny avy amin'ny manampahefana aza dia tsy nahazo na inona na inona afa-tsy fampanantenana fotsiny ihany.

Rehefa afaka telopolo taona nonenana tao amin'ny “efitrano” 11 metatra toradroa tao amin'ny tranobe iray tsikaritra amin'ny foto-drafitrasany mampalahelo dia nangataka trano vaovao avy any amin'ny fanjakana ny fianakaviana sasany. Saingy matahotra ny hanao izany izy ireo satria mety ho very hatramin'ny efitrano honenany ao amin'ny Hotely Nairi.