- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Manoloana ireo Fihetsiketsehana Feno Herisetra, Bahanan'i RDC Ireo Tambajotran-tserasera

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2015)

Lubumbashi, the DRC's second-largest city. Photo by Oasisk via Wikimedia Commons (CC BY 2.5) [1]

Lubumbashi, ilay tanàndehibe faharoa ao amin'ny firenena. Sary an'i Oasisk avy amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.5)

Ellery Roberts Biddle [2], Lisa Ferguson, Hae-in Lim ary Sarah Myers West [3] no nandrafitra ity lahatsoratra ity.

Isankerinandro, eo amin'ny Global Voices Advox, ny tariky ny Netizen Report dia manolotra topimaso iray amin'ireo fanamby sy ireo fandresena amin'izao tontolo izao, tsy adinoina ireo vaovao mahasarika mikasika ny zo nomerika. Ho an'ny herinandro farany tamin'ny volana Janoary 2015, ny Repoblika demokratika an'i Kôngô no nanokatra ny lahatsoratra izay, manoloana an'ireo fihetsiketsehana feno herisetra anoherana ny governemanta [4], nanome baiko  hampitsaharana tanteraka an'ireo tolotra finday sy aterineto [5] ireo manampahefana. Nanambara tamin'ireo media ireo mpandraharaha iraisam-pirenena misahana ny serasera misy ao amin'ny firenena fa naharay baiko ofisialy mba hampitsahatra ny tolotra omen'izy ireo.

Taorian'ny telo andro nahatapahany, niverina tamin'ny ampahany [6] ny fahazoana aterineto, saingy ny datin'ny 28 janoary, mbola voasakana hatrany ireo tolotra amin'ny finday (antso, SMS sy Aterineto finday).

Raha fantatra fa ny 23 isanjaton'ireo olom-pirenena ao RDC [7] no mampiasa finday, etsy ankilany kosa, sarotra ny manombana ny habetsahan'ny fidirana amin'ny aterineto ao amin'ny firenena. Ireo loharanom-baovao zatra mifandray amin'ny tontolon'ireo media eo an-toerana [7] dia mifanaraka amin'ny filazàna fa ny onjam-peo no mitoetra ho endrika serasera tena ampiasaina be indrindra, arahin'ireo telefaona mampiasa tariby, avy eo ireo SMS.

Fifanenjanan'ireo VPN sy i Shina

Tamin'ity herinandro ity, nosembantsembanin'ireo Sinoa manampahefana ny fidirana [8] amin'ireo fantsom-pifandraisana virtoaly tsy miankina [9] (VPN), teknolojia iray ahafahan'ireo mpampiasa aterineto manafina ny toerana misy azy mba handosirana ilay Rindrinafo Goavana ao Shina. Tena fampiasan'ireo tontolon'ny fandraharahana sy ny eny amin'ny anjerimanontolo ny VPN, toy ny VyprVPN, [10] mba hidirana amin'ireo vohikala voasakana (Facebook, Twitter sy Gmail), ary tsy tratran'ny fanakanana amin'ny ankapobeny.

Taorian'ny fanafihana ny Charlie Hebdo, nomen'i Microsoft ireo angona imailaka manokan'ny olona

Tao anatin'ny fanambaràna iray mahavariana mikasika ny hafainganana handraisana an-tanana manomboka izao ny angona momba ireo mpampiasa aterineto, nanambara ny Microsoft fa nanolotra ho an'ny FBI – ary noho ny fangatahany taorian'ny fanafihana tao amin'ny Charlie Hebdo – ny votoatin'ireo imailaka, [11] tao anatin'ny 45 minitra monja. Taorian'ny famoahana ny fanambaràna niraisana nataon'ireo minisitra eoropeana misahana ny Atitany [12] ary niantsoana an'ireo mpandraharaha goavana amin'ny aterineto mba hisintona, ho fisorohana, “ny votoaty rehetra misy fankahalàna sy fampihorohoroana”, nanambara ny lehibe ara-pitsarana ao amin'ny Microsoft, Brad smith, fa “raha toa ireo mpikambana amin'ny governemanta maniry hanisaka ny tsipiky ny fiarovana sy ny fiainana manokana, dia tokony ovàn'izy ireo ny lalàna fa tsy ny sehatra tsy miankina no angatahan’ izy ireo mba hanangana an'io fifampifandanjana io”.

Milalao ny zo hohadinoina i Hong Kong

Allan Chiang Yam Wang, kaomisera misahana ny fiarovana ny fiainana manokana ao Hong Kong, no naneho hevitra [13] momba ny fanohanany ny fanapahankevitry ny Firaisambe Eoropeana mikasika ny zo hohadinoina [14], izay manery an'ireo milina fikarohana mba hamafa ny torohay rehetra tsy ara-dalàna na efa lany andro. Ao Hong Kong tahaka ny any an-kafa, notsikerai [15]n'ireo mpikatroka amin'ny aterineto io fanehoankevitra io, tamin'ny alalan'ny fanombànana hoe tsy azo tsinontsinoavina ny hisian'ny fikisahana mankamin'ny “zo hamàfa”, izay rehefa ela ny ela dia hitondra ho amin'ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra. Hatreto, tsy mbola nilaza ny heviny momba ilay olana ny Kaomisera misahana ny fiarovana ny fiainana manokana..

Mpandefa fanairana iray eo amin'ny Twitter no mahita fa voasakana ao Tiorkia ny kaontiny

Nandritra ny volana maromaro, i @fuatavnifuat [16], mpampiasa Twitter iray izay mbola tsy fantatra ny tena anarany, no nanao fanamby tamin'ireo manampahefana tiorka tamin'ny alalan'ny famoahana ampahibemaso ireo torohay voasokajy ho “tsiambaratelom-piarovana” an'ny governemanta. Tamin'ity herinandro ity, nosakanan'ny Twitter ireo bitsika nalefan'ilay mpampiasa [17] ao Tiorka taorian'ny fanapahankevitry ny fitsarana hanakatona ireo kaonty @fuatavnifuat anatin'ny fantsom-pifandraisana sosialy maro. Mitovy amin'izay ihany koa no mitranga ho an'ny pejy Facebook latsaka ao anatin'ny fanapahan'ny tribonaly. Nampitandrina an'ireo orinasa roa ny mpitsara miandraikitra ny raharaha hoe ny tsy fanekena hanaraka araka ny tokony ho izy ny fanapahankeviny dia hiafara amin'ny fanakanana tanteraka ny vohikalan'izy ireo. Taorian'ny volana martsa 2014 nahitàny ny vohikalany nakatona nanerana ny firenena, ny Twitter, izay mamindra ny fibaikoana tsirairay voaray ho any amin'ny Chilling Effects [18], ilay tetikasa fanarahamaso ny sivana, dia mitaky ny hanafaingànana ny fampifanarahana azy amin'ny fanapahankevitry ny tribonaly.

Noho ireo sazy amerikana ao Krimea, tsy azo idirana ny sasantsasany amin'ireo vokatra Google

Mba ho fanarahana ny fampiharana an'ireo sazy amerikana ao Krimea, nosakanan'ny Google ny fidirana [19] amin'ireo vokatra sasany vokariny, anisan'izany ny AdSense, AdWords ary ny Google Play. Na izany aza, afaka misitraka ireo vokatra maimaimpoana ihany ny vahoaka (Gmail, Google Search ary ny Maps).

Ny fikatrohana ety anaty aterineto

Hatramin'ny taona lasa, nanokanan'ny Netizen Report diary iray tsy tapaka ny momba ny famonjàna bilaogera (be loatra), sy matihanina avy amin'ireo media ary ireo mpikatroka ety an-tambajotra. Nangataka ny fanafahana azy ireo tsy misy hatak'andro [20] ny vondrom-piarahamonina Global Voices tao anatin'ny filazàna ampahibemaso nandritra ny Fihaonambe Global Voices 2015 ho an'ireo media an'ny olontsotra, natao tao Cebu, Filipina:

Like these individuals—many of whom are our friends and colleagues—we believe in the right and power of open expression to drive change, inspire cooperation, and resolve conflict… We cannot remain silent—and you should not either. We ask you to join us in demanding that all governments fulfill their duty under the Universal Declaration of Human Rights: protect and respect the rights of these individuals.

Tahaka ireo olona rehetra ireo – izay maro no namana sy mpiara-miasa aminay – mino tanteraka izahay fa ny zo sy ny fahalalahana maneho hevitra dia mety hitondra fanovàna, mamporisika ny fiarahamiasa ary mamaha fifandirana… Tsy afaka ny hijanona hangina izahay – ary ianareo koa. Miaraha aminay mba hitaky amin'ireo governemanta mba hanatanterahan'izy ireo ny andraikiny mifanaraka amin'ny Fanambaràna manerantany ny zon'olombelona: hajao sy arovy ny zon'ireo olona ireo.

Mba ho fanampim-panazavana

Manaova famandrihana amin'ireo lahatsoratra Netizen Report