- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Bilaogera iray hafa any am-ponja

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nilaza [1] i Hadi Nili fa araka ny tatitra voamarina avy ao Tehran dia nosamborin'ny manampahefana i Parastoo Dokouhaki, Vehivavy bilaogera Iraniana sady mpanao gazety. Mpikatroka ihany koa i Parastoo. Nanoratra tao amin'ny bilaoginy “Zan-Nevesht ” izy ary tamin'ny teny Anglisy “ The Remains of the Day [2] ” (Ireo sisa tavela amin'ny andro).