- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahazo Onitra Sy Tombontsoa Ny Minisitra Nanoloana Ilay Tranonkala Zambiana Mpanaratsy

Sokajy: Etazonia, Zambia, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, Vaovao, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2013)

Neken'ny fitsaràna Amerikana ny onitra manodidina ny 50.000 dolara amerikana nangatahan'ny minisitra lefitra misahana ny varotra ao Zambia noho ny fanalàm-baràka natao azy tamin'ny vohikala ara-tsosialy Kachepa360, izay ampiantranoina sy mihodina avy ao Etazonia

Ny Kachepa360, izay nanatsahatra ireo asany efa ho roa taona lasa izay, dia  nikendry ireo tomponandraikitra ambony, ireo mpandraharaha sy ireo olo-malaza, ary manapongatra ny lazaina fa fijangajangàna sy hadalana hafa. Amin'ny fitenim-paritra hafa ao an-toerana, ny teny hoe Kachepa dia manana hevitra ho toy ny honohono sy tantara valamaty.

Araka ny Zambian Watchdog [1], natsahatr'i Chisala Mulenga tompon'ny Kachepa ireo asany tao amin'ny vohikala taorian'ny naharaisan'ireo ray amandreniny, izay mipetraka ao Zambia, fandrahonana avy amina olona kinendrin'ilay vohikala. Ny minisitra lefitry misahana ny varotra, Miles Sampa, izay nasongadina teo amin'ny Kachepa ireo ‘zavabitany tamin'ny firaisana ara-nofo’, no nametraka fitoriana tany Etazonia, firenena ipetrahan'i Mulenga. Nohenoina teo anatrehan'ny tribonalin'i fanjakan'i Massachusetts ny raharaha.

Taorian'ny nanambaràn'ny Minisitra Miles Sampa teo amin'ny Facebook ny fandreseny teny amin'ny fitsaràna, noraisin'ilay vohikala median'ny olontsotra Zambia Reports [2] sy ny Zambian Watchdog [3] ny tantara. Teo amin'ny pejy Facebook-ny, nanoratra [4] ny Minisitra Sampa hoe:

Mba hiarovana ny anarako amin'ireo fanendrikendrehana tsy misy farany sy tsy misy fototra izay navantan'ny famoahana an-tambajotra Kachepa360 tamin'ny tenako, nentiko teo anatrehan'ny fitsarana amerikàna ny raharaha, firenena izay ipetrahan'ny voampanga.

Taorian'ireo volana maro nandrafetana ny fanapahankevitra, nahazoako rariny ny raharaha nifanandrinako tamin'ilay tomponantoky ny famoahana Kachepa360, Mme Chisala Mulenga, ary onitra fanonerana mitentina 50.000 dolara amerikana no azoko, miampy zanabola 12% nanomboka ny volana novambra 2012.

Tamin'ny fanazavàna ny antony nitondràny ny raharaha  tany Etazonia, nanambara izy fa:

Na dia manaiki fanakianana aza aho, heveriko fa ny asa fanaovan-gazety dia tsy tokony hitongilana, hanaraka ny zava-misy ary matihanina, na aiza na aiza ny toerana misy azy na ny fitaovana ampiasaina hanelezany ny vaovao.

Nanapaka hevitra aho hanaraka ara-pitsarana an'ity raharaha ity manoloana ireo tribonaly mahefa any ivelany mba hanehoana fa ny fananana andraikitra dia fenitra ho an'ny rehetra, na ho an'ireo famoahana amin'ny tambajotra aza, izay mety hieritreritra fa tsy ho tratry ny fampiharana ny lalàna izy ireo.

Teo amin'ny Facebook, nifanamby tamin'i Sampa [5] ny mpandinika sosialy sy politika, Proud Aushi Musamba Mumba, mba hanenjika ara-pitsarana ny Zambian Watchdog izy fa tsy izay antsoiny hoe “trondro madinika”:

I Lol Hon Miles Sampa, raha tokony ho nanenjika ara-pitsaràna an'ireo fantsona goavana izay nanoratra sy nanendrikendrika azy ho mpanao kolikoly, dia haza bitika teny amin'ny rano miandrona izay tsy nampihontsina ny olona akory na tsy nahasarika azy ireo akory araka izay nilazàny mazava ny “Kachepa 360″ no nenjehiny. Izay midika fa honohono no nipoirany. Aleo izy hanenjika ara-pitsarana ny ZWD [Zambian Watchdog], izay mampahalala vaovao ny firenena momba ireo zavatra tian-dry zareo hafenina sy rakofana.

Nampangain'ny Zambia Reports [2] i Sampa hoe nampiasa ity fanenjehana ity ho fomba iray “hampitandremana an'ireo izay mitrandraka ny tranonkala mpanakiana ao Zambia… mba tsy hiafina ao ambany saron'ny tsy fitononana anarana, satria ny lalàna dia afaka misambotra azy ireo”.

Ireo vohikala media tsy miankina sy an'ny olontsotra ao amin'ny firenena dia miatrika andiana fanafihana [6] tsy tapaka tato anatin'ny  volana vitsivitsy farany, nametraka an'ireo vohikala manan-danja marobe, toy ny Zambian Watchdog sy ny Zambia reports, ho sarotra hidirana ao Zambia. Miahiahy an'ireo fanafihana ireo ho  avy amin'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta ireo mpanakiana. Tamin'ny volana jolay, nanambara ny filoha lefitra Dr. Guy Scott fa hanaovany lanonana fankalazàna [7] raha vao mikatona ny Zambian Watchdog. Nibahan-toerana tny anaty tambajotra ireo adihevitra mafàna marobe [8] mikasika an'ireo fitaovana fampahalalàm-baovao sy ireo tomponandraikitry ny governemanta ety anaty serasera.

Na dia an'ny sokajy somary hafa kely aza ny Kachepa360, manolotra bebe kokoa fahafinaretana ho an'ireo mpamaky ny raharaha, raha mitaha amin'ny mangaraharaha momba ireo asan'ny governemanta, ary mety ho mpisava làlana mampahatahotra ho an'ireo vohikala hafa tsy miankina manara-maso an'ireo solontenan'ny governemanta. Ankehitriny azon'ny minisitra iray atao ny nandresy ny Kachepa 360, iza indray no vohikala manaraka ho haza?