- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famahanana bilaogy ho fikatsahana ny zon'ireo Kiorda 

Sokajy: Iràna, Syria, Tiorkia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanatevin-daharana hiady hananan'ny Kiorda ny zony [1] ireo tanora bilaogera manerana ny Afovoany Atsinanana [2]: “Ny tanjonay voalohany dia ny fampahalalam-baovao izay ilain'ny Kiorda mba hanehoana ny heviny, noho izany dia mangataka izahay mba hamelana ireo feo ireo hiteny, farafaharatsiny ato amin'ny aterineto, izay hany solon'ny fampitam-baovaonay iadiana amin'ny sivana sy ny famoretana.”  Mampiseho ireo sary maro feno herisetra tamin'ny famoretana natao tamin'i Kiorda ny lahatsary iray izay tafiditra tao anatin'ny fanentanana ary efa nalefa tao amin'ny YouTube [3], ary efa natomboka ato [4] ny fanangonan-tsonia hampitsaharana ny sivana amin'ny fampitam-baovao atao amin'ny Kiorda.