- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia : Nosamborina noho ny fanalam-baraka ilay bilaogera Fatma Riahi

Sokajy: Tonizia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Free Fatma Arabicca

Avotsory i Fatma Arabicca

Nampanantsoina tany amin’ny Borigady misahana ny Heloka bevava tao Gorjani (Tonizia), ilay bilaogera Toniziana no sady mpampianatra teatra Fatma Riahi (34 taona), fantatra amin’ny solon’anarana hoe Arabicca ao amin’ny Aterineto, ka nanontaniana momba ny ataony tao amin’ny Aterineto izy.

Noafahana tamin’io andro io ihany i Fatma, tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo, avy eo nantsoina indray ny ampitso, ny Talata 3 Novambra (2009). Mpitandro ny filaminana manam-boninahitra ambony miisa telo no nitondra azy tany an-tranony tany Monastir, 160 kilometatra miala ny renivohitr’i Tonizia mba hisava ny tranony, mba hanangonana ireo porofo izay nafeniny tao ambadiky ny anaran’ny mpanoratra sariitatra malaza Toniziana Blog de Z [1]. Nalain’izy ireo ihany koa ny solosainy. Nitondra an’i Fatma tany an-tranony indray izy ireo ny Alarobia an’iny, mba hikaroka ny tenimiafiny, ary afaka niditra tao amin’ny kaontiny Facebook ry zareo.

Nanomboka teo, tsy navotsotra intsony i Arabicca ary tsy navela hihaona tamin’ny mpisolovavany, Ramatoakely Laila Ben Debba, izay niresaka taminy nandritra ny minitra vitsy monja. Notazomina tao amin’ny Kômisarian’ny polisy tao Gorjani i Arabicca ary mety ho voampanga amin’ny ‘’heloka fanalam-baraka, fiampangana izay mety hitarika hatramin’ny 3 taona an-tranomaizina.

Nibilaogy tao amin’ny Fatma Arabicca [2] i Fatma, bilaogy iray izay nofafany telo andro mialoha ny nisamborana azy.

Navoakan’ny bilaogera Toniziana iray tao amin’ny Aterineto ho fanohanana an’i Fatma ny bilaogy Avotsory i Arabicca [3], sy ny pejy iray ihany koa tao amin’ny Facebook [4] .

Fanavaozam-baovao ny Asabotsy 7 Novambra 2009 nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 7 ora hariva tao amin’ny vondrona Facebook natokana ho an’i Fatma [5] :

“L'avocate de Fatma Maître Leila Ben Debba vient de nous écrire ceci:

“fatma m'a confirmée qu`elle n'a passé aucune nuit à bouchoucha et qu ‘elle n'a quittée la police criminelle que maintenant et que à tout moment on peut la convoquer.
fatma va bien et en bonne santé morale et physique. elle vous remercie pour cette grande mobilisation.”

Toy izao no nosoratan’i Leila Ben Debba mpisolovava an’i Fatma taminay : ‘
Nohamafisin’i Fatma tamiko fa tsy natory velively tao Bouchoucha izy ary tsy nandao ny polisy misahana ny heloka bevava raha tsy amin’izao fotoana izao , ary azo antsoina amin’ny fotoana rehetra ihany koa izy.
Salama tsara ara-batana sy ara-tsaina i Fatma ary misaotra anareo izy noho ity hetsika lehibe ity ‘’.