28 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 28 Janoary 2019

Rosia: Tsy hita ireo mariky ny vidin'entana tao amin'ny tempoly

Tsy nijanona tao amin'ny toerana intsony ny lisitry ny vidin'entana ho an'ny tolotra ara-barotra nomena tao amin'ny [Katedralin'ny Kristy Mpamonjy ao Moskoa], izay napetrak'ireo bilaogera mba hahafaly ny masontsika elaela kokoa. Tsy mbola feno herinandro akory dia efa nesorina mangingina tsy ho hitan'ireo mpiserasera ny lisitry ny vidin'entana.

Iran: Bilaogera iray hafa any am-ponja

GV Mpisolovava  28 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza i Hadi Nili fa araka ny tatitra voamarina avy ao Tehran dia nosamborin'ny manampahefana i Parastoo Dokouhaki, Vehivavy bilaogera Iraniana sady mpanao gazety. Mpikatroka ihany koa i Parastoo. Nanoratra tao amin'ny bilaoginy “Zan-Nevesht ” izy ary tamin'ny teny Anglisy “...

Shina: Nosamborina ilay olon-tsotra mpitati-baovao ary narahana hatrany an-tranony 

GV Mpisolovava  28 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Notànan'ny polisy i Zhou “Zola” Shuguang, ilay bilaogeran'ny Teknolojiam-baovao/mpivarotra legioma ao Hunan izay lasa tanora olon-tsotra mpitati-baovao mavitrika tamin'ny alàlan'ny fitantarany tao amin'ny bilaoginy momba ny trano maningana ao Chongqing tamin'ny fiandohan'ny taona 2007 ary nalefa nody narahana fanaraha-mason'ny polisy...

Famahanana bilaogy ho fikatsahana ny zon'ireo Kiorda 

GV Mpisolovava  28 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanatevin-daharana hiady hananan'ny Kiorda ny zony ireo tanora bilaogera manerana ny Afovoany Atsinanana: “Ny tanjonay voalohany dia ny fampahalalam-baovao izay ilain'ny Kiorda mba hanehoana ny heviny, noho izany dia mangataka izahay mba hamelana ireo feo ireo hiteny, farafaharatsiny ato amin'ny...