- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Nampiakarina fitsarana ambony ny sazy fanagadrana bilaogera iray

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)

Nampahafantarina androany ny fampakarana ho any amin'ny ambaratonga ambony ny sazin'ilay bilaogera Ejiptiana Ahmad Saad Abou Doma [1]. Nangataka ny hanafoana sazy an-tranomaizina herintaona sy nangataka fitsarana vaovao ho an'i Doma ny ivon-toerana Hisham Mubarak ho an'ny Fanampiana Ara-pitsarana, satria tany amin'ny fitsarana miaramila izy no notsaraina.

Nosamborina tamin'ny 10 febroary i Doma izay mitantana bilaogy iray antsoina hoe Sha’er Ikhwan [2] (Poeta Ikwani), rehefa niverina avy any Gaza tamin'ny alalan'ny fiampitana ny sisintanin'i Rafah. Nampangain'ny manampahefana Ejyptiana ho miditra antsokosoko ny sisintany atsinanana izy.

Niharan'ny herisetra ara-tsaina sy ara-batana ity bilaogera voatazona ao amin'ny paositry ny polisy ao Al-Khalifa ity, raha nafindra tany am-ponja. Nodarohana tamin'ny hazo izy ary tsy afa-nihetsika nandritra ny ora maro.