Nampahafantatra ny Tor tamin'ny atrikasan'ny bilaogera Arabo 2009 i Jacob Appelbaum

tor_sticker

The Tor logo

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Tontosaina ankehitriny ao Beirota, Libanona ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo faharoa izay fanao isan-taona (jereo ny lahatsoratra bilaogy hafa ato); ahitana fampisehoana isan-karazany sy atrikasa madinika kokoa momba ireo lohahevitra manomboka amin'ny “techies Arabo” hatramin'ny fanentanana antserasera momba ny tsy fitononana anarana sy ny teknolojia fialàna amin'ny fibahanana ny atrikasa. Androany dia nampahafantatra ny fomba fisafidianana ny fitaovana tsara fialàna amin'ny fibahanana sy fampahalalana manokana momba ny tetikasa izay iasany i Jacob Appelbaum (@ioerror ao amin'ny Twitter) avy ao amin'ny Tor .

Nanazava ny fomba fiasan'ny Tor miaraka amin'ny fampahafantarana manazava tsara ny tetezana Tor i Appelbaum (mba hahafantarana bebe kokoa momba ny Tor, dia jereo ato), ary nanazava izay karazam-baovao amin'ny fanarahana ny Tor, sy ny tantaran'ny tetikasa Tor. Nandritra ny atrikasa dia nandefa sioka mivantana momba ny fampahalalana natao ireo mpandray anjara.

weddady nanamarika ny tsy fisian'ny fiarovana ao amin'ny proxy sasany:

weddady quotes Jacob Appelbaum

weddady manonona an'i Jacob Appelbaum

Nanazava bebe kokoa i Appelbaum fa miaraka amin'ny proxies, tsy dia fantatry ny olona velively hoe iza no mitantana ny proxy, ka mahatonga ny mety hisian'ny fanaraha-maso.

Amira Al Hussaini nanamarika tao amin'ny Twitter fa tsy dia ampiasaina be ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana ny Tor, ary nandefa ny antson'i Appelbaum ho an'ny mpampiasa Tor:

Amira Al Hussaini attended Jacob Appelbaum's presentation on Tor

Amira Al Hussaini nanatrika ny fampahafantarana nataon'i Jacob Appelbaum momba ny Tor. Amira Al Hussaini attended Jacob Appelbaum's presentation on Tor

Azo trohana ato ny Tor, ary azo jerena ato.ny fanampim-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.