Afganisthana: Fanamelohana ho faty amin'ny fizarana bilaogin-dahatsoratra

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny Fikambanan'ny Mpanoratra Bilaogy Afghana (Afghan Penlog), vondrom-piarahamonina iray natsangan'ireo vondrona bilaogera mpikatroka Afghana dia naneho ny ahiahiny lalina tamin'ny fanamelohan'ny fitsarana tao an-toerana ilay tanora mpanao gazety Sayed Parwiz Kambakhsh ho faty.

Mpitati-baovao ho an'ny Jahan-e Naw (Tontolo Vaovao) izay gazety mpivoaka isak'herinandro izy ary mpianatra ho mpanao gazety ao amin'ny Oniversiten'i Balkh.

Araka ny filazan'ny Afghan Penlog sy ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, nosamborin'ny manampahefana tamin'ny 27 Oktobra 2007 i Parwez Kambakhsh noho ny fangalana sy ny famoahana lahatsoratra ho an'ireo namana izay hitany tao amin'ny tranonkalam-bilaogy Iraniana. Niresaka momba ny zon'ny vehivavy, ny Coran ary ny mpaminany Mohammed izany. Nanameloka azy ho faty noho ny fanevatevana ny fitsarana iray tany Avaratr'i Afganisthana ao Mazar-e Sharif.

Nilaza ny mpanara-maso ny fampitam-baovao manerantany Reporters Sans Frontières fa ” natao kimaimaika ny fitsarana ary tsy nisy fijerena ny lalàna na ny fanehoan-kevitra malalaka, izay arovan'ny lalampanorenana.”

Nilaza ny Tondro momba ny Sivana hoe :

Deeply conservative Afghan clerics, most of whom have never used a computer or the Internet, believe Kambakhsh himself wrote the article and therefore found him guilty of blasphemy. Because there is no clear punishment for downloading “un-Islamic” articles from the Internet, the primary court of appeal asked clerics to comment. The conservative clerics, who had not investigated the case, demanded the death penalty.

Tena mpandala ny nentin-drazana tanteraka ireo mpitondra fivavahana Afghana, ny ankamaroany dia tsy mbola nampiasa solosaina na Aterineto mihitsy hatrizay, ary nihevitra  fa i Kambakhsh mihitsy no nanoratra ity lahatsoratra ity ary nahita azy ho meloka amin'ny fanevatevana noho izany. Satria tsy misy moa ny fanasaziana mazava amin'ny fangalana lahatsoratra “tsy Islamika” avy amin'ny aterineto dia nanontany ny hevitr'ireo mpitondra fivavahana ny fitsarana ambony. Nitaky ny fanamelohana ho faty noho izany ireo mpitondra fivavahana mpandala ny nentin-drazana, izay tsy nanadihady momba ilay raharaha akory.

Mety ho lasibatra ny rahalahin'ilay mpanao gazety

Araka ny filazan'ny CNN, maro ireo mihevitra fa voasambotra i Kambakhsh noho ny lahatsoratra izay nosoratan'ny rahalahiny nanakiana ny manampahefana avy any amin'ny faritany. Ilay rahalahiny, Sayed Yaqub Ibrahimi dia nanoratra tantara marobe izay manazava amin'ny antsipiriany ny zon'olombelona.

Namoaka fanambarana ny Afghan PenLog izay niampanga ireo manampahefana Afghana tamin'ny fiezahany handositra ity olana ity: “… Namoaka taratasy ny Minisiteran’ ny fampahalalam-baovao sy ny Kolontsaina Afghana izay nilaza fa tsy mpanao gazety i Parwiz Kambakh ary tsy misy ifandraisany amin'ny fampahalalam-baovao ny raharaha mahakasika azy . “Manahy mafy ny Afghan Penlog, ary mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Parwiz Kambakhsh.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.