- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita : Voasivana ny kaonty Twitter roa an’ireo mpikatroka

Sokajy: Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
[1]

Nanakana ny fidirana tamin’ny Aterineto tamin’ny kaonty Twitter anankiroa ny Vaomieran’ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana ( CITC) [2] ao Arabia Saodita dia ny an’ilay bilaogera @Mashi97 [3] sy ny an’ilay mpikatroka @abualkhair [4] . Niseho ity bahana amin’ny kaonty Twitter ity noho ny fandraisany anjara tamin’ny hetsi-panoherana vokatry ny fifidianana filohampirenena tao Iran.

Nilaza tamin’ny sampan-draharahan’ny AFP [5] ilay bilaogera Khaled al- Nasser fa mety nanelingelina ny mpanivana ny hafatra nalefany izay ahitana rohy mankany amin’ny tranonkala hafa tahaka ny tatitra nataon’ny fikambanana Human Rights Watch momba an’i Arabia Saodita. Ilay mpikatroka Waleed Abu al-Khair [4] kosa dia namoaka ny rohy mankany amin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona [ ao Palestina] tamin’ny hafany tao amin’ny Twitter.

Afaka nanome fanavaozam-baovao tao amin’ny kaontiny Twitter [6] i Khaled al-Nasser [3] sy i Abu al-Khair na dia teo aza ny fibahanana, satria tsy voatery idirana amin’ny aterineto ny fidirana amin’ny kaonty Twitter raha handefa hafatra vaovao. Ny mahatsikaiky amin’ity toe-javatra ity dia : manana kaonty Twitter [7] izay nisokatra ny volana Jona (2009) ny Vaomieran’ny NICT ao Arabia Saodita. Manana mpanjohy miisa 81 tamin’ny fotoana nanoratana ny kaontin’ny CITC, saingy tsy manjohy na iza na iza.

* Sary natolotr'i Kharejaljasad [8]