- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Bilaogera nogadraina noho ny “fanararaotana ny toetrandro demaokratika”

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

mohsen.jpg(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Rehefa avy notazonina natao fanadihadiana nandritra ny 15 andro, dia mbola any am-ponja ilay bilaogera Ejipsiana Ahmed Mohsen [1], satria voampanga ho “Manararaotra ny toetrandro demaokratika mba hanonganana  governemanta”

Nosamborina tamin'ny 29 Aprily 2009 i Mohsen, rehefa niditra an-keriny tao an-tranony tao Fayoum (Avaratra) ny mpitandro ny filaminana ary nitady izany. Satria efa nifindra tany Ejipta ambony i Mohsen, dia nampiantso azy ho any amin'ny biraon'ny fitsarana ao Fayoum ny polisy.

Nofaritan'ny tambajotra arabo ho an'ny zon'olombelona  [2](ANHRI) ho “mampihomehy” ny fiampangàna, hoy izy:

It is normal for a State Security officer to tell lies, but when the Public Prosecution believes this lie and approves to imprison a young blogger for exploitation of the democratic climate, this is black comedy, what democracy did this young man exploit

Ara-dalàna raha mandainga ny manampahefana, saingy rehefa matoky izany lainga izany ny fampanoavana ary manaiky ny hampiditra am-ponja tanora bilaogera noho ny fanararaotana ny toetrandro demaokratika, dia tena fampihomehezana ratsy izany, demaokrasia inona no nohararaotin'ity tovolahy ity?

Tanora dokotera i Mohsen; avy any Fayoum izy, saingy monina sy miasa ao amin'i Minya. Mampahafantatra ny tenany ao amin'ny mombamomba azy ao amin'ny bilaoginy [1] izy hoe: “Ahmed Mohsen Abdul Rahman, dokotera iray miahiahy [liana] amin'ny resaka  fahalalahana. […] miezaka manokatra ny masony ary mijery izay mitranga, mba hahazoana izany ! “

Nanomboka ny hetsikany antserasera tamin'ny taona 2006, miaraka amin'ny bilaogy Fattah Einek [1] (Sokafy ny masonao) izay nanoratany ny resaka zon'olombelona ao Ejipta sy ny governorà keliny ao Fayoum ity bilaogera nogadraina ity, ary manoratra tononkalo momba ny fahalalahana sy ny fifandirana Israeliana-Palestiniana. Nibilaogy momba ny zava-niainany tamin'ny fisamborana azy tamin'ny May 2006 noho ny lahatsorany antserasera momba ny fampijaliana koa izy. Anisan'ireo bilaogera Ejipsiana voalohany nampiharihary ny fampijaliana ataon'ny Minisiteran'ny Atitany ao amin'ny governoràn'i Fayoum koa izy.

Namoaka memo [3] ho firaisankina miaraka amin'i Mohsen ny sendikan'ny bilaogera Arabo, mohsen75-75.jpgbilaogera sy mpanao gazety 225 mahery no nanao sonia izany hatramin'izao, mikendry sonia 1000 ny sendikà.