- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Nosamborina i Abtahi, bilaogera malaza  

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina [1] ilay mpitondra fivavahana, filoha lefitra teo aloha sady bilaogera Mohammad Ali Abtahi. Fantatra fa nandray anjara tamin'ny hetsi- panoherana [2] ny valim-pifidianana ho filoham-pirenena izy.