Vietnam: Nodarohana sy nosamborina ilay bilaogera sady mpikatroka ny demokrasia Tran Khai Thanh Thuy

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mitohy ny fisamborana ireo bilaogera Vietnamiana: Nodarohana sy nosamborina ilay bilaogera sady mpikatroka ny demokrasia Tran Khai Thanh Thuy*

Nosamborin'ny manampahefana Vietnamiana ny bilaogera iray hafa ny 23 Oktobra 2009 taorian'ny nandefasany ireo mpikatroka an-tserasera miisa sivy tany an-tranomaizina mandritra ny roa ka hatramin'ny enin-taona noho ny  fanehoan'izy ireo ny fomba fijeriny tao amin'ny aterineto.

Nosamborina ny harivan'ny 8 Ôktobra 2009 i Tran Khai Thanh Thuy rehefa nandefa mpitandro ny filaminana miakanjo sivily tany an-tranony ny polisy mba handrahona azy, ny vadiny ary ny zanany vavy 13 taona. Nodarohan'ireo mpitandro ny filaminana tamin'ny biriky i Thuy , ka nahatonga ny ratra teo amin'ny lohany. Nalain'ny polisy avy eo i Thuy sy ny vadiny, ka navelany irery tao an-tranony ilay zanany vavy.

tran_khai_thanh_thuy-bi-danh-vao-dau-3-08-10-2009.jpg

Tran Khai Thanh Thuy naratra teo amin'ny lohany sy ny reniny (ankavanana). [Loharanon-tsary: Bilaogy Afaho i Tran Khai Thanh Thuy ]

Nandeha tany Hai Phong i Thuy vao maraina tamin'io andro io mba hanohana ireo mpikatroka namany miisa enina izay notànan'ny fitsarana. Nosakanan'ny polisy izy ary nentiny tsy nisy antony mazava. Taorian'ny ora maromaro nihazonana azy tany amin'ny toerana tsy fantatra dia navotsotra izy, ary nosamboriny indray ny harivan'iny ihany.

Tsy vao voalohany izao no nosamborina noho ny famahanany bilaogy sy ny fikatrohany i Tran Khai Thanh Thuy. Nogadraina nandritra ny sivy volana izy tamin'ny taona 2007 noho ny fiarovana sy ny fanampiana ireo tantsaha nohararaotina izay nitady ny rariny tamin'ireo fakana an-keriny ny toeram-pamboleny. Nandritra ny fanagadrana azy dia nijaly tamin'ny aretina diabeta sy raboka izy  saingy tsy nahazo fikarakarana ara-pitsaboana.

Hatramin'ny nahafahany tamin'ny volana Febroary 2008, dia teo ambany fanaraha-mason'ny sy ny fanorisorenan'ny polisy izy sy ny fianakaviany. Norobaina sady nasiana tain'olona ny tranon'izy ireo.

Voampanga tamin'ny herisetra i Tran Khai Thanh Thuy. Nitatitra ny fampitam-baovao izay tantanan'ny fanjakana Vietnamiana fa namono sy nandratra lehilahy iray hafa izy sy ny vadiny, ka izany no nahatonga ny fiampangana azy.
Sarin'ny lehilahy iray mihoson-drà antsoina hoe Dan Tri navoaka tao amin'ny tranonkalan'ny fampahalalam-baovaom-panjakana .

danhnguoi_091009a-2.jpg

Sary namboarina avy amin'ny ratra nahazo an'i Nguyen Manh Diep [Loharanon-tsary: Bilaogy Afaho i Tran Khai Thanh Thuy ]

Rehefa nandinika ilay sary ireo bilaogera Vietnamiana dia nilaza fa nampiseho ny angona nomerika tao amin'ny sary fa tamin'ny 28 Febroary 2005 no nangalana izany. Kanefa ny sary tao amin'ny tranonkala dia nahitana fitomboka nidaty tamin'ny 9 Oktobra 2009. Bilaogera Vietnamiana maro no nihevitra fa namboarin'ny polisy ilay sary mba hiampangana an'i Thuy.

Mpikambana ambony ao amin'ny English PEN, ONG iray miasa mba hampiroboroboana ny literatiora sy ny zon'olombelona i Tran Khai Thanh Thuy, ​​ary tamin'ny taona 2007 izy dia notolorana ny loka Hellman/Hammett avy amin'ny Human Rights Watch.

Hita ao amin'ny http://trankhaithanhthuy.blogspot.com ny bilaogin'i Thuy. Nandrisika ny bilaogera izahay mba hisarihana ny saina momba ny raharahan'i Tran Khai Thanh Thuy tamin'ny alàlan'ny fanohanana ny bilaoginy ary ihany koa tamin'ny alàlan'ny fanoratana tany amin'ny solontenan'izy ireo ara-diplaomatika any Hanoi mba hiditra an-tsehatra amin'izany raharaha izany. Afaka mitsidika ny bilaogy fanentanana ianao ao amin'ny http://freetrankhaithanhthuy.wordpress.com .

* Ity lahatsoratra ity dia nosoratana niaraka tamin'ny fiaraha-miasa tamin'ny vondrona manohana ny demokrasia Vietnamiana Viet Tan .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.