Tantara tamin'ny 25 Janoary 2019
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Ejypta: Mbola any am-ponja ilay bilaogera Abu Fagr na dia eo aza ireo baiko famotsorana miisa valo
Manamarika ny herinandro namoahana ny didy famotsorana faha-valo an'ilay bilaogera Ejypsiana Mos'ad Suleiman Hassan (a.k.a. Mos'ad Abu Fagr) androany; Na dia teo aza izany, dia mbola any amin'ny tobin'ny polisy ao El Arish (Sinai Avaratra) foana i Fagr .
Arabia Saodita : Voasivana ny kaonty Twitter roa an’ireo mpikatroka
(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanakana ny fidirana tamin’ny Aterineto tamin’ny kaonty Twitter anankiroa ny Vaomieran’ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana ( CITC) ao Arabia...
Afganisthana: Fanamelohana ho faty amin'ny fizarana bilaogin-dahatsoratra
Ny Fikambanan'ny Mpanoratra Bilaogy Afghana (Afghan Penlog), vondrom-piarahamonina iray natsangan'ireo vondrona bilaogera mpikatroka Afghana dia naneho ny ahiahiny lalina tamin'ny fanamelohan'ny fitsarana tao an-toerana ilay tanora mpanao gazety Sayed Parwiz Kambakhsh ho faty.
Ejypta: Niharan'ny herisetra ilay bilaogera nogadraina ary nasaina hivadika Miozolomana ho takalon'ny famotsorana azy
Tsy mbola avela mitsidika ny olona arovany ny mpisolovavan'ilay bilaogera Hani Nazeer nosamborina. Na izany aza dia nahavita nifandray tamin'ny Tambajotra Arabo momba ny zon'olombelona ity bilaogera kristianina Nazeer ity, nanambara fa niharan'ny herisetra sy nangatahana mba hivadika ho silamo izy ho takalon'ny famotsorana azy:
Vietnam: Nodarohana sy nosamborina ilay bilaogera sady mpikatroka ny demokrasia Tran Khai Thanh Thuy
Nosamborin'ny manampahefana Vietnamiana ny bilaogera iray hafa ny 23 Oktobra 2009 taorian'ny nandefasany ireo mpikatroka an-tserasera miisa sivy tany an-tranomaizina mandritra ny roa ka hatramin'ny enin-taona noho ny fanehoan'izy ireo ny fomba fijeriny tao amin'ny aterineto.
Iran: Nosamborina i Abtahi, bilaogera malaza
(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina ilay mpitondra fivavahana, filoha lefitra teo aloha sady bilaogera Mohammad Ali Abtahi. Fantatra fa nandray anjara tamin'ny hetsi-...
Shina: Ady amin'ny fihazonam-baovao
Nisy sary niparitaka tamin'ny twitter milaza ny fomba fiadian'ny olom-pirenena ao Shina ny fanakanam-baovao sy fanodikodinam-baovaoo ataon'ny andrim-panjakana tao anatin'ny andro vitsy lasa. Eto ambany ny dikanteny momba ny sary.
Nampahafantatra ny Tor tamin'ny atrikasan'ny bilaogera Arabo 2009 i Jacob Appelbaum
Nampahafantatra ny fomba fisafidianana ny fitaovana tsara fialàna amin'ny sivana ary koa fampahalalana manokana momba ny tetikasa izay iasany i Jacob Appelbaum (@ioerror ao amin'ny Twitter) avy ao amin'ny Tor .
Tafatafa miaraka amin'i Jacob Appelbaum avy ao amin'ny Tor
Jacob Appelbaum dia mpanolo-tsaina momba ny fiarovana solosaina sady developera sy mpisolovavan'ny Tetikasa Tor, fitaovana sy tambajotra manokana miaro ny fiainana manokana sy ny fiarovana ny mpiserasera aterineto. Tamin'ny Atrikasan'ny bilaogera Arabo, nanao fampahafantarana momba ny fialàna amin'ny fibahanana, ny fiarovana antserasera ary ny tsy fitononana anarana izy