- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarimihetsika tsy fahita firy miaraka amin'ny feon'i Kyoto, Japana, tamin'ny taona 1929

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
Everyday scenes in Kyoto Japan in 1929 [1]

Kyoto, Japana, tamin'ny taona 1929. Pikantsary avy amin'ny “1929 – Feon-dahatsary Tranainy tao Kyoto, Japana”, nasiam-panitsiana sy navoakan'i Guy Jones tao amin'ny YouTube.

Namerina nandefa indray ny lahatsarim-baovao momba ny sarimihetsika tao Kyoto tamin'ny taona 1929 ny fantsona Youtube malaza . Ny antony nahatonga an'ity sarimihetsika ity ho nisongadina dia ny nahitana ilay lahatsary niaraka tamin'ny feo mampiseho ny fiainana Japoney an-tanandehibe tamin'izany fotoana izany. Amin'ny ankapobeny anefa mangina ny vaovaon-tsarimihetsika tamin'io vanim-potoana io.

Ahitana seho an-tsena, lanonana ao amin'ny toerana masina Shinto sy ireo zatovovavy manao kilalao nentim-paharazana ilay vaovaon-tsarimihetsika ary izay rehetra izany dia miaraka amin'ny feo mazava tsara.

Iray amin'ireo vaovaon-tsarimihetsika am-polony [2] izay naverina nalefa indray ary navoakan'i Guy Jones [3], mpaka lahatsary ao amin'ny YouTube ity horonantsary ity, izay nanitsy ireo sarimihetsika tranainy tamin'ny taonjato lasa mba hifanaraka kokoa amin'ny fenitra an-tsarimihetsika ankehitriny.

Amin'ny ankapobeny dia nahenan'i Jones ny hafainganam-pandehan'ny sarimihetsika ôrizinaly ary nampiany feo mifanaraka amin'ny ambiansin'ny fiainana andavanandro hita eny an-dàlamben'ny tanandehibe, toy ny famerenana indray ilay lahatsarin'ny vaovaon-tsarimihetsik'i Tokyo [4] tany amin'ny zato taona lasa .

Amin'ity tranga ity, ny fakantsary Movietone [5] no nangalana ny feo mahavariana tamin'io vanim-potoana io, izay teknolojia nampiasaina tany amin'ny taona 1929. Ny rafi-peo Movietone dia fomba fandraketa-peon'ny lahatsary ho an'ny sary mihetsika izay natao mifanaraka ny feo sy ny sary.

Avy ao amin'ny Moving Image Research Collections ao amin'ny Oniversiten'i Caroline Atsimo (MIRC [6]), mpikarakara ny Fox Movietone News Collection ity lahatsary ity.

Fanamarihana: Nohavaozina ity lahatsoratra ity mba hanasongadinana fa ny MIRC no loharano nangalana ny vaovaon-tsarimihetsika, ary isaorana i Dan Streible [7]  .