- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fouad Alfarhan: Telo volana tany am-ponja

Sokajy: Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mbola nijanona tany am-ponja noho ny “fanitsakitsahana ny fitsipky ny tsy fandriampahalemana” tsy voafaritra, telo volana taorian'ny nisamborana azy [1], tamin'ny 10 Desambra 2007, ilay bilaogera Saodiana Fouad Alfarhan [2]. Noho izany zava-nitranga izany dia nandefa hafatra ho azy ny  zanak'i Raghad vavy sivy taona, tao amin'ny lahatsary iray [3] izay navoaka tao amin'ny bilaogin'i Alfarhan, ary mbola navaozin'ireo namany ihany koa:

Nilaza ny tatitra iray nataon'ny Freefouad Blog [4] fa sambany i Fouad no navela hiantso ny vadiny an-telefonina tamin'ny 3 Martsa 2008.

Fouad told her that he is in a good shape and his morale is high. He said he is hoping that authorities would soon allow others to visit him in jail. (…) Fouad would like to thank all those who supported him and his family during these tough times.

Nilaza taminy i Fouad fa salama tsara izy ary ambony ny maoraliny. Nilaza izy fa manantena ireo manampahefana mba hamela ny olona hitsidika azy any am-ponja tsy ho ela (…) Nisaotra ireo rehetra nanohana azy sy ny fianakaviany nandritra ity fotoan-tsarotra ity i Fouad.

Amin'ny lalàna Saodiana dia azo atao ny mitazona an’ i Fouad mandritra ny enim-bolana mba hanaovana fanadihadiana tsy misy fiampangana .