Iran: Fanentanana ho famotsorana an'i Hamed Saber, bilaogera nogadraina

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Miantso ny famotsorana an'i Hamed Saber ireo mpianatra nahazo diplaoma tao amin'ny oniversite Iraniana sy akademika maherin'ny 70. Hamed Saber dia Iraniana bilaogeran-tsary sady mpahaisolosaina nosamborina noho ny antony tsy fantatra ny 21 Jona 2010 tao Teheran. Nisy namana iray nilaza taminay fa voalohany izao i Hamed no nosamborina. Nilaza ihany koa io loharanom-baovao io fa maro tamin'ireo sarin'i Hamed izay nampiseho ny hetsi-panoherana Iraniana no navoaka tany amin'ny gazetiboky vahiny tsy nisy nampahafantatra azy.

I Hamed ihany koa no nandrafitra ny “Access Flickr“, itatra fitety Aterineto Firefox izay mandingana ny sivana amin'ny tranonkala fifampizaràna sary Flickr ao Iran, Emirà Arabo Mitambatra, Arabia Saodita, Shina ary ireo toerana hafa izay nandraràna izany. Nandefa taratasy tao anaty seha-pifanakalozan-dresaka tao amin'ny Flickr nitady fanohanana ho an'i Hamed ny iray tamin'ireo naman'i Hamed:

As some of you might already know, it has been nearly a month since Hamed Saber our dear friend and artist and the founder of Iranian group on Flickr has been arrested for no apparent reason.

There has been no news of him except for two telephone calls from an anonymous place.

A group of his old friends, university class mates and professors from well-known universities around the world have issued a letter requesting Hamed’s release.

All of us know him for quite a long time, since our first days of membership in this group or maybe in trips we went together with him.
Many of us started photography in Flickr and specifically this group and even made life-long friends here. I myself feel indebted to him for finding many artist friends here and in this group.

Today he is imprisoned for no clear reason and this is an opportunity to show our friendship and appreciation.

I thought we could write a letter or statement and defend his position as an artist and an old friend and ask for his release.

I am not that good at writing, any comment or idea or any suggestions for a solidarity gesture by anyone of you can be of help, so drop a line in the comment my friends , we have to take action as soon as possible.

 

Tahaka ny efa fantatr'ireo sasantsasany aminareo, efa ho iray volana izay no nosamborina noho ny antony tsy fantatra i Hamed Saber namana sy mpanakanto malalantsika ary mpanorina ny vondrona Iraniana ao amin'ny Flickr .

Tsy nisy vaovao momba azy afa-tsy ny antso an-tariby roa avy amin'ny toerana tsy fantatra anarana.

Namoaka taratasy nangataka ny famotsorana an'i Hamed ny vondron'ireo namany taloha, mpiara-mianatra tao amin'ny oniversite ary mpampianatra avy amin'ireo oniversite malaza manerantany.

Isika rehetra dia mahafantatra azy efa hatry ny ela, nanomboka hatramin'ny andro voalohany naha-mpikambana tato amin'ity vondrona ity na angamba tany amin'ny dia izay niarahantsika taminy .
Betsaka tamintsika no nanomboka naka sary tao amin'ny Flickr ary indrindra ity vondrona ity ary nahita namana maro naharitra mihitsy aza teto. Ny tenako manokana dia mahatsiaro manana andraikitra ho azy noho ny nahitako namana mpanakanto maro teto sy tato amin'ity vondrona ity.

Ankehitriny izy dia nogadraina noho ny antony tsy mazava ary antony iray tokony hampisehoantsika ny finamanantsika sy ny fankasitrahantsika izany.

Mino aho fa afaka manoratra taratasy na fanambarana isika ary hiaro ny toerany amin'ny maha-mpanakanto sy namana tranainy azy ary hangataka ny famotsorana azy.

Tsy havanana loatra amin'ny fanoratana aho, hanampy tokoa ny fanehoan-kevitra na hevitra na soso-kevitra ho an'ny firaisan-kina avy aminareo tsirairay rehetra, noho izany apetraho ny soso-kevitrao ry namako, mila mandray andraikitra haingana araka izay tratra isika.

Hoy ny naman'i Hamed tao amin'ny bilaogy “Avotsory Hamed Saber” raha nanoratra :

Saber, the winner of a Bronze medal in an international science competition, had the possibility to emigrate but he preferred to stay in Iran and work for its “independence and economic progress.”

Nanana fahafahana nifindra monina i Saber, mpandresy tamin'ny medaly alimo tamin'ny fifaninanana siantifika iraisam-pirenena saingy naleony nijanona tany Iran ary niasa ho amin'ny “fahaleovantenan'i Iran sy ny fandrosoany ara-toekarena”.

TMiantso ireo mpitondra Iraniana hanome an'i Saber fitsarana ara-drariny ilay fanambarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.