Tsy nahazo nampiasa ny efitra fatoriana tao amin'ny oniversite noho ny fanoratana bilaogy

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Satria nahafeno ny fepetra rehetra ilaina mba ahafahany mampiasa ny fonenan'ny oniversite i Ahmed Abdel Kawi , noho izany, ny fanapahan-kevitra hanilikilihana azy dia nohelohin'ny Vondrona Fifanampiana Ara-pitsarana amin'ny Fahalalaham-pitenenana ao amin'ny Tambajotra Arabo misahana ny Vaovaon'ny Zon'olombelona, izay namoaka fanambarana milaza hoe:

The civil activities of the blogger, student Ahmed Abdel Kawi, should not interfere with his right to student accommodation. Every citizen has the right to express his opinions and ideas, as guaranteed by the Egyptian constitution and international conventions.

Ny hetsika sivily nataon'ilay bilaogera, mpianatra Ahmed Abdel Kawi, dia tsy tokony hanakantsakana ny zony amin'ny trano fonenan'ny mpianatra. Manan-jo haneho ny fomba fijeriny sy ny heviny ny olon-tsotra rehetra, araka ny voalazan'ny lalàm-panorenana Ejipsiana sy ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Nibilaogy mitondra ny lohateny hoe akeed fi masr (Azo antoka fa any Ejipta) i Abdel Kawi, izay manana fianakaviana monina any amin'ny faritr'i Fayoum *90km miala an'i Cairo* ary nilaza hoe:

I am a one who has a right and i am not intending to give it up..i already tries all possible ways to get my right back, but they insisted and told me “we will not insert your name at the lists of students eligible for university housing.

Manan-jo aho ary tsy milefitra amin'izany.. efa nanandrana ny fomba rehetra mba hiverenan'ny zoko indray aho saingy nanitrikitrika izy ireo ary niteny tamiko hoe “tsy hampidirinay ao amin'ny lisitry ny mpianatra azo ekena hahazo trano fonenana ao amin'ny oniversite ny anaranao .

Mpianatra amin'ny asa fanaovan-gazety taona fahatelo amin'ny sampana haino aman-jery ao amin'ny Oniversiten'i Cairo ity tanora bilaogera ity. Nahazo B+ izy nandritra ny roa taona voalohany nianarany tao amin'ny oniversite ary efa nonina nandritra izany fotoana rehetra izany tao amin'ny trano fonenan'ny oniversite. Nibilaogy momba ny fiainany tao amin'ny oniversite, ny namany, anisan'izany ilay bilaogera notanana teo aloha Mohammad Refaat , ary momba ny fahalalaham-pitenenana amin'ny ankapobeny i Abdel Kawi .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.