Shina : Nakatona ny sehatra bilaogy nandritra ny Lalao Olaimpika

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy afaka nidirana intsony efa ho nandritra ny herinandro ny Sohoxiaobao, ilay sehatra ho an’ny bilaogy Shinoa, tsy dia hoe arifomba indrindra, fa iray amin’ireo efa tranainy indrindra ao Shina.

Nitatitra ny sakana natao tamin’ny Sohoxiaobao izahay teo aloha; mety hahatsiaro ny tantaran’ilay polisy sady mpanakanto Shinoa Wu Youming angamba ny sasany, izay voaroaka tamin’ny asany noho ny bilaoginy. Nisy ihany koa ilay bilaogera Shinoa tena nalaza ProState in Flames izay nahita ny bilaoginy nikatona indray andro, tao amin’ny sehatra Sahoxiaobao ‘’noho ny antony tsy ara-teknika’’.

Nanomboka nibilaogy tao amin’ny vavahadin-tranokala tsy miankina Bullog, ny ProState in Flames, na dia matetika aza no ‘narindra’ ny fitantarany, kanefa tao amin’ny Bullog no nanambaran’ny ProState ny fanakatonana ny sehatra Sahoxaiobao, tamin’ny alàlan’ny famoahana indray ilay fanambarana ofisialy izay niseho teo amin’ny pejy fandraisan’ny tranonkala. Naka pikantsary tao amin’ny tranonkala Flickr ihany koa ilay mpisera Shizhao.

Communiqué de fermeture temporaire de la plateforme SOHO Xiaobao

Un manque d'auto-discipline de la part des internautes, qui ont mis en ligne sur leurs anciens blogs des informations sensibles, ne respectant pas les règles de la discussion, entraîne la fermeture momentanée de SOHO Xiaobao. Nous avons présenté une demande pour sa ré-ouverture.

Le service est maintenant interrompu. Toutes les données seront sauvegardées et l'utilisation du service reprendra à une date ultérieure. Merci à tous de votre compréhension et de votre soutien !

Nous demandons à chacun, au nom de SOHO Xiaobao, d'être prudent dans ses écrits durant les Jeux Olympiques et rappelons que la publication d'informations illégales est strictement interdite.

SOHO Xiaobao
18 juillet 2008

Filazana fanakatonana vonjimaika ny sehatra SOHO Xiaobao

Nahatonga ny fanakatonana vonjimaika ny SOHO Xiaobao ny tsy fahampian’ny fifehezantena avy amin’ireo mpisera Aterineto, izay nandefa an-tserasera tao amin’ny bilaoginy taloha ireo vaovao saropady, izay tsy nanaja ny fitsipiky ny fifanakalozan-kevitra. Nanao fangatahana ho amin’ny fanokafana azy indray izahay.

Tapaka ankehitriny ny tolotra. Ho tahirizina ny angondrakitra rehetra ary hiverina amin’ny manaraka ny fampiasana ny tolotra. Misaotra anareo rehetra noho ny faharetana sy ny fanohananareo !

Miangavy ny tsirairay izahay, amin’ny anaran’ny SOHO Xiaobao, mba ho mailo amin’ny asa-sorany mandritra ny Lalao Olaimpika ary mampahatsiahy izahay fa voarara tanteraka ny famoahana vaovao tsy ara-dalana.

SOHO Xiaobao
18 Jolay 2008

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.