Blaogera Iray Sady Mpikatroka Mpiaro ny Zon'ny Vehivavy, Nogadraina Ao Gambia

Manao tatitra ireo media tsy miankina fa nosamborin'ny National Intelligence Agency (NIA) i Sait Matty Jaw, blaogera iray, mpikatroka ara-tsosialy sady mpiaro ny zon'ireo vehivavy sy ireo tovovavy. Mpampianatra tantara amin'ny anjerimanontolo ao Gambia i Jaw, nosamborina tao amin'ny faritry ny  Anjerimanontolo tao Brikama tamin'ny Alarobia 5 novambra 2014 teo. Ny NIA dia fantatra tamin'ny fampijaliana an'ireo noahiahiana ary nanatanteraka fisamborana nohalavaina tsy misy fitsaràna.

Sait Matty Jaw, from Free Sait Matty Jaw Facebook page.

Sait Matty Jaw, avy amin'ny pejy Facebook Free Sait Matty Jaw

Sady tsy nanamarina no tsy nandà ny fisamborana an'i Jaw ireo tomponandraikitra Gambiàna, izay vao tonga avy tany Bakou (Azerbaijan) taorian'ny fandraisana anjara tamin'ny Fihaonambe iraisam-pirenena ho an'ny tanora mikasika an'ireo politika momba ny tanora eran'izao tontolo izao.

Miorina eo ambanin'ny lalàm-panorenana an'ny repoblikan'i Gambia, tsy azo tazonina mihoatra ny 72 ora ny olona iray tsy nandalo fitsaràna. Ny lalàna dia mitaky ihany koa fa adiny telo aorian'ny nisamborana azy dia tokony hahafantatra ny antony itànana azy ireo olona nosamborina. Nitranga ny fisamborana an'i Jaw tamin'ny fotoana voalohany indrindra fitsidihana ny firenena  tamin'ny fanasàn'ny governemanta, izay nataon'ny Mpanao Tatitra Manokana avy amin'ny Firenena Mikambana momba ireo famonoana ivelan'ny fitsaràna, sy noho ny tonamin'ny lalàna, ambangovangony na ‘arbitrary executions’, Christof Heyns, sady Mpanao Tatitra Manokana mikasika ny fampijaliana sy heloka bevava hafa, tsy maha-olona na ireo fitondrana miaro heloka bevava na famaizana, Juan Méndez…..Ny fisamborana an'i Jaw dia nitranga nandritra ny fitsidihana ny firenena noho ny fanasan'ny governemanta an'i Christof Heyns, Mpampakateny Manokan'ny Firenena Mikambana momba ny famonoana ho faty ivelan'ny fitsarana, ny vonomoka na famonoana tsy amin'antony, sy i Juan Méndez, Heyns, izay Mpampakateny Manokana momba ny fampijaliana sy ny habibiana na ny tsy fanajana ny maha-olona sy ny fanasaziana hafa.

Ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona dia nitsikera mafy ny resaka zon'olombelona  mampalahelo ao aminn'ny firenena tao anatin'ny fandalinana manara-potoana vita vao haingana Zeneva, Soisa.

Ny Free Sait Matty Jaw, pejy Facebook natsangana tamin'ny 8 novambra dia naharay ‘Tiako’ maherin'ny 250 tao anatin'ny roa ora taorian'ny namoronana azy. Ireo mpianatra, ireo namana ary ireo sakaiza mpikatroka ao Gambia sy any ivelany no nameno ny pejy tamin'ny fanehoana hatezerana noho ny fisamborana azy. Nanambara i Isatou Jeng, mpikatroka iray mpiaro ny zon'ireo vehivavy sy ireo tovovavy fa:

Fantatro tsara ny fitiavany an'i Gambia sy ny faniriany hanao ny tontolo ho toerana mendrika ho an'ny rehetra. #AvotsorySaitMattyJaw Mila azy i Gambia!!

Aisha Dabo, Gambiana iray miaina an-tsesitany, mpanao gazety namorona ny pejin'ny Free Sait Matty Jaw, no nanoratra hoe:

Miantso an'ireo Gambiana  manampahefana aho mba hanafaka an'i Sait Matty. Heveriko fa tsy misy ilàna ny misambotra azy raha toa izy vao avy nanampy ny NIA tao anatin'ny fanadihadiana nataony #FreeSait . Mampalahelo raha toa io tanora io izay mitondra fampandrosoana betsaka ho an'ny firenena no nosamborina nefa tonga mitsidika ny firenena ireo mpampakateny manokana avy amin'ny Firenena mikambana mikasika ny fampijaliana sy ireo famonoana tsy amin'antony, … ny hafatra dia Adidin'ny Fanjakana no miantoka ny fampanajàna ireo zon'ny olom-pirenena #freeSait na inona na inona heloka bevava tombanana ho nataony.

Ousman JC Darboe, Gambiana iray mpampiasa Facebook, no nandefa antso iray ho an'ireo mpitarika ny Filankevitry ny Tanora sy ireo vondrona tanora mpikatroka ao amin'ny firenena mba hijoro hanohitra ilay fisamborana sy famonjàna.

Ry Gambiàna sakaizako mpikatroka mafàna fo ho an'ny tanora, ireo mpitarika ny Filankevitry ny tanora eto Gambia, ho lasa miraviravy tànana ve isika ka tsy ho afaka hiresaka akory ny fisamborana ilay olomalaza-ntsika, filoha mpanentana ny tanora izay miasa saika ny vovonana rehetra mikasika ny tanora eto  Gambia. Moa ve isika hamela ny kolontsainam-pahanginana hanafika antsika mba tsy hitenenana ny tsy rariny sy ny fisamborana tsy ara-dalàna an'i Sait Matty Jaw. Ry tanora mpiaradia amiko, mila mahatsiaro isika rehetra fa ny hany fomba tokana hiadiana amin'ny tsy fananan-kery sy ny kolontsainam-pahanginana dia ny fandraisana fisainana tena goavana. Hametra-panontaniana mikasika ny fahatsiarovantenantsika ve aho? Amporisihiko ny Filankevitry ny Tanora eto Gambia  sy ireo vondrona tanora mpikatroka mba  handefa hafatra iray mazava tsara ho an'izay manampahefana tomponandraikitra tamin'ny fisamborana azy sy ny famonjàna azy mba hamotsorana azy avy hatrany. Avotsory i Sait Matty Jaw

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.