Nosakanan'i Yemen ny sehatra famahanana bilaogy Maktoob

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoaka ny lahatsoratra voalohany)

Yemen blocks Maktoobblog
Maktoobblog.com , iray amin'ireo sehatra famahanana bilaogy Arabo malaza indrindra, dia nakatona tao Yemen ka tsy nahafahan'ireo mpisera Aterineto Yemenita mitsidika ireo bilaogy maherin'ny 46.960 izay miantrano ao amin'ny tolotra. Misy bilaogy Yemenita  miisa 1226 miantrano ao aminy araka ny MaktoobBlog. Nanjavona tao amin'ny Aterineto Yemenita avokoa izy rehetra ireo .

Nandà ny vaovao i Atoa Yasser Al-Eimad, avy ao amin'ny Orinasan'ny Fifandraisandavitra ho an'ny Daholobe tao amin'ny gazety Al Hayat izay amin'ny teny Arabo fa nosakanana ny Maktoobblog.com. Saingy ny andrana nataon'ny OpenNet Initiative dia nanamafy izany, tamin'ny alalan'ny fanadihadiana ara-teknika, fa ity tolotra fampiantranoana bilaogy ity dia nakaton'ny mpanome tolotra Aterineto Yemennet, Orinasan'ny Fifandraisandavitra ho an'ny Daholobe (PTC) tantanan'ny governemanta :

ONI technical investigation verified that the service has been blocked by Yemennet, Yemen’s government-run ISP. Access is blocked to the entire domain maktoobblog.com, effectively to every blog hosted by the service. Interestingly, users who attempt to access the site receive a network error message instead of the standard blockpage, which is served when users attempt to access sexual content.

This significant blocking is expected to hinder Internet users in Yemen from blogging and reading blogs because maktoobblog.com is home of one of the largest blogging communities in the Middle East and North Africa.

Nanamarina ny fanadihadiana ara-teknika nataon'ny ONI fa nosakanan'ny Yemennet, mpamatsy tolotra Aterineto tantanan'ny governemanta ao Yemen ny tolotra. Voasakana ho an'ny sehatra maktoobblog.com  iray manontolo ny fidirana, izany hoe ho an'ireo bilaogy rehetra miantrano ao amin'ny tolotra. Ny mahaliana, mahazo hafatra avy amin'ny tsy fetezan'ny tambajotra ireo mpisera izay manandrana miditra ny tranonkala fa tsy ilay pejy voasakana mahazatra, izay miseho rehefa misy mpisera manandrana miditra amin'ny votoaty ara-pananahana.

Hanakana ireo mpisera Aterineto ao Yemen amin'ny famahanana bilaogy sy ny famakiana izany ity fanakànana lehibe ity satria dia fonenan'ireo vondrom-piarahamonina mibilaogy lehibe indrindra any Afovoany Atsinanana sy any Afrika Avaratra ny maktoobblog.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.