- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Lokan'ny Famahanana Bilaogy Boukary Konaté voalohany tao Mali

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Ireo olona miisa telo nahazo ny Loka Boukary Konaté voalohany, tao Bamako, Mali. Sary: Doniblog, nahazoana alalana

Fahatairana sy fahaverezana goavana ho an'ny vondrom-piarahamonina GV ny fahalasanan'ny namana Maliana Boukary Konaté tamin'ny taona 2017 [1]. Fahaverezana goavana ho an'ny bilaogera Afrikana, sy ireo namany ary mpanjohy azy ao Mali ihany koa izany. Fantatry ny maro amin'ny maha ‘rain'ny famahanana bilaogy’ azy any amin'ny firenena niaviany i Boukary ary nankasitrahana, notiavina ary tsaroana ao an-toerana ny toetrany mahafinaritra sy malala-tanana, ny fitiavany hitandroana ny kolontsaina Afrikana sy ny fiteny an-tserasera .

Nanapa-kevitra ny hamorona ny Loka Boukary Konaté mba hanomezam-boninahitra ny fahatsiarovana azy ny namany ao amin'ny Doni Blog Mali [2], fikambanan'ny bilaogera Maliana izay nampiany tamin'ny fananganana azy.

Ny 27 Desambra 2018, nomena nandritra ny hetsika ara-tsosialy tao Bamako, niaraka tamin'ny fanohanan'i Philip Paoletta, Tuwindi, AGETIC, WoManager ireo Loka Boukary Konaté voalohany .

I Moussa Mallé Sissoko no nahazo ny loka voalohany tamin'ny fanehoana ny sarin'ilay mpiangaly mozika Maliana iray jamba [3]. Ho an'i Randane Ould Barka ny loka faharoa, noho ny fandraisany anjara tao amin'ny tanàndehibe rotiky ny ady tao Timbuktu [4], ary ny fahatelo, ho an'i Alhousseini Dicko, noho ny lahatsorany momba ny vakoka ara-kolotsaina tsy manan-tsahala dia ireo sora-tanana tranainy tany Timbuktu [5]. Navoaka tamin'ny tranokalam-baovaon'olompirenena Maliana, Bembere [6] ireo bilaogera telo .

Nanokana ampahany [7] tamin'ny vaovao amin'ny hariva ho an'ny fifaninanana sy ny fahatsiarovana ilay olo-malaza Maliana tsy afaka ao am-po (lahatsary amin'ny teny Frantsay) ny TM2, fantsom-pahitalavi-pirenena ao Mali.