- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Bilaogera nanjavona taorian'ny famotsorana azy

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

abdel-rahman-fares.jpg (Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)

Na dia navotsotry ny Mpampanoa lalàna aza ilay bilaogera Ejypsiana Abdel Rahman Fares (25 taona), dia mbola tsy fantatra izay misy azy. Nosamborina tamin'ny 5 Aprily i Fares izay mibilaogy ao amin'ny Lesani Howa Qalami [1] (Ny lelako no peniko), raha nizara taratasy kely tao an-tanànany ao Fayoum, miantso ny vahoaka mba hidina an-dalambe ary hanohitra ny governemanta, izay tafiditra ao anatin'ny “fitokonana 6 Aprily [2]”.

Voampanga ho nizara taratasy kely mampiroborobo ny foto-kevitry ny Mpirahalahy Miozolomana [3] sy miantso fitokonana ity tanora bilaogera ity. Ankoatra izany, fantatra fa bilaogeran'ny mpirahalahy miozolomana izy, izay midika fa mpikambana ao amin'ny vondrona voaràran'ny lalàna izy. Nanoratra tao amin'ny bilaoginy ny naman'i Fares fa navotsotra izy ny alina lasa teo, ary tsy misy mahafantatra izay toerana misy azy.

Vao haingana, nilaza tamin'ireo mpamaky ny bilaoginy i Fares fa nampanantsoin'ny foiben'ny fiarovam-panjakana izy:

I don’t know whether the both incident are related! I was summoned to State Security office and ordered to be their on 1st April. Right after that, I had a chat with someone I don’t know on Facebook, he commented on my satus, then chatted with me, describing me and the supporters of 6th April strike as rioters. And he told me ‘don’t regret when you are punished!

Tsy  fantatro ny fifandraisan'ireo tranga anankiroa! Nampanantsoin'ny biraon'ny fiarovam-panjakana aho ary nasaina nankany ny 1 Aprily. Taorin'izany indrindra, dia nikarajia tamin'ny olona tsy fantatro tao amin'ny Facebook aho, naneho hevitra tao amin'ny rindriko izy, ary avy eo nikarajia tamiko, mamaritra ahy sy ireo mpanohana ny fitokonanana 6 aprily fa mpioko. Ary nilaza ahy mba tsy hanenina izy rehefa voasazy aho!

Nandefa pikantsary misy izany resadresaka izany i Fares:

screenshot-ibrahim.JPG

Ity bilaogera tsy hita ity dia mpanoratra momba ireo mpikatroka nosamborina. Iray amin'izy ireo izy ankehitriny.