- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tantsaha Birmana nampangaina tamin'ny lalàna elektronika

Sokajy: Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny novambra 2008)

Notorian'ny Tafika Birmana ireo tantsaha nametraka fitarainana niaraka tamin'ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny asa [1] (OIT) tamin'ny nandraofan'ny Foiben'ny fitoeram-pitaovam-piadiana tany mirefy 2000 hekitara mahery tamin'ny 3 aogositra 2008).

Nampangain'ny kapiteny Phyo Wei Lin, mpitondratenin'ny tafika, ireo voampanga ho nandefa vaovao sy zavamisy any amin'ny haino aman-jery vahiny”, hoy ny Mizzima News [2].

Nilaza [3] i U Tint, iray amin'ireo voampanga fa : “Tsy fantatray izany Lalàna elektronika izany ary tsy fantatray ihany koa izany Lalàna Video izany, satria tsy mahita sarimihetsika isan'andro izahay any ambanivohitra misy anay,” ary nampiany [4] “manana olana izahay ankehitriny ary mandositra.”

Tantsaha telo [5] nosamborina tamin'ny 20 Oktobra 2008 no notoriana araka ny lalàna elektronika rehefa nentina tany amin'ny Lalànan'ny Tsiambaratelom-panjakana (ofisialy) ny raharaha tamin'ny voalohany. Niova izany tatỳ aoriana rehefa tsikaritry ny tafika ny maha-hevidravina ny fiampangana ny tantsaha ho “maka sary ny fanorenan'ny tafika”.

Nampiasain'ny fitondrana ara-miaramila ny Lalàna Elektronika hanenjehana ireo mpikatroka, bilaogera ary politisiana manakiana ny fitondrana.

Efa ela ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny asa (OIT) no nanonona an'i Myanmar ho firenena mampiasa an-terivozona sy mamono ireo mpiasa [6] tsy mazoto.

Manakombom-bava ny endrika hetsika elektronika rehetra i Myanmar hatramin'ny nisian'ny ‘Revolisiona Jaky [7]‘ [fr] tamin'ny herintaona (2007) izay nanoheran'ireo Moanina manerana ny firenena ny fitondrana ara-miaramila. Niely nanerana izao tontolo izao tamin'ny alàlan'ny aterineto ny hetsi-panoherana sy ny famoretana an-kerisetra taty aoriana, ka nitondra fanamelohana iraisampirenena sy fanaraha-maso goavana ny asan'ny fitondrana ara-miaramila.