- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'i Indonezia ny YouTube noho ilay sarimihetsika “Fitna”  

Sokajy: Indonezia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoaka voalohany lahatsoratra)

fanavaozam-baovao: 
Nesorin'Indonezia ny fandraràna ny Youtube.com [1] ny 11 Aprily 2008. Ny pejy izay misy ny sarimihetsika nataon'i Geert Wilders sisa no nosakanan'ny mpanome tolotra Aterineto, hoy ny filoha lefitry ny Fikambanan'ny Mpanome Tolotra Aterineto Indoneziana.

YoutubeNomen'ny governemanta Indoneziana baiko ny mpamatsy tolotra aterineto ao amin'ny firenena hanakatona ny YouTube [2] noho ny famoahana ilay horonantsary manohitra ny anti-Miozolomana maharitra 15 minitra “Fitna”, izay novokarin'ny Solombavam-bahoaka Holandey Geert Wilders, mpitarika ny Antoko Fahafahana tsy tia fifindra-monina (PVV). Nanaraka ny baikon'ny fanakanana ny sasany tamin'ireo mpamatsy tolotra aterineto ao amin'ny firenena, saingy mbola azo jerena amin'ny alàlan'ny “mpamatsy hafa ny “Fitna”.

“Nisy taratasy nalefa ho an'ireo mpamatsy Aterineto nangataka azy ireo hanakana ny tranonkala rehetra na bilaogy mamoaka ny Fitna (…) Tsy ny YouTube ihany no nandefa ilay lahatsary, noho izany dia anjaran'ny mpamatsy tolotra Aterineto no nijery ireo tranonkala hosakanana,” araka ny filazan'ny Manampahefanan'ny Minisiteran'ny Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao .

Vao nanomboka ny herinandro dia efa norahonan'i [3] Indonezia hosakanana ny Youtube raha tsy manala ity sarimihetsika voalaza etsy ambony ity ireo tranonkala fifampizaràna lahatsary  .