- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Atahorana ho ampijaliana ilay bilaogera Ahmed Abou Doma nogadraina

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2009)

doma.jpg
 

Ahmed Abou Doma

Nisy ny tatitra nalefa tany amin'ny Mpampanoa lalàna Ejipsiana milaza fa niharan'ny herisetra ilay bilaogera notazonin'ny polisy, Ahmed Abou Doma.

Araka ny tatitra, dia niharan'ny fampijaliana ara-tsaina sy ara-batana ilay tanora bilaogera (23 taona). Torture in Egypt (fampijaliana ao Ejipta) [1] nilaza araka ny mpisolovavan'i Doma hoe:

The detained blogger was mentally and physically abused in Al-Khalifa police station, while being transferred to prison. He was beaten up by sticks and his body was standing in a harmful posture for long hours.

Niharan'ny herisetra ara-tsaina sy ara-batana tany amin'ny paositry ny polisy tao Al-Khalifa ilay bilaogera notanana, raha nafindra tany am-ponja. Nokapohina tamin'ny hazo izy ary tsy naha-hetsika nandritra ny ora maro ny vatany.

Nosamborina i Ahmed Abou Doma tamin'ny fiverenany avy tany Gaza tamin'ny alalan'ny Fiampitana ny Sisintany Rafah [2]. Noampangain'ny manampahefana Ejipsiana fa niditra antsokosoko tao amin'ny sisintany atsinanana izy tamin'ny fanitsakitsahana ny didim-panjakana 298 tamin'ny 1995. Tamin'ny volana lasa teo, dia notsaraina [3] tao amin'ny Fitsarana Miaramila tao an-tanànan'i Ismailia any Ejipta i Doma ka voasazy higadra herintaona an-tranomaizina sy mandoa onitra 2000 livra (ejipsiana).

Mitantana bilaogy antsoina hoe Sha’er ikhwan [4] (Poeta Ikwani) i Ahmed Abou Doma, izay anoratany ny tononkalony sy ny lahatsorany, anehoany ny fomba fijeriny ara-politika. Navoakany tao amin'ny bilaogy ireo sary nalainy tany Gaza nandritra ny fitsidihana, izay nitarika azy ho any am-ponja. Taorian'ny fisamborana azy, dia nohavaozin'ireo namany ny bilaoginy. Hita ao amin'ny bilaogy  [5]ny taratasy nalefan'i Doma fotoana fohy taorian'ny sazy azony.