- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Voasakana ny tranonkalan'ny mpanohitra sangany

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny tatitry ny Tambajotra Arabo misahana ny Vaovaon'ny Zon'olombelona [1] dia nakaton'ny mpanome tolotra Aterineto, TE Data [2] , mpanome tolotra lehibe indrindra any Ejipta izay an'ny governemanta nanomboka ny 4 Mey 2008 ny tranokalan'ny Hetsika Ejiptiana ho an'ny Fanovana – Kefaya [3]:

Many of Kefaya website visitors were surprised of their disability to browse the site during the call on for the past 4th of May Strike, whether through T-Data or “Link” company, while Link has pulled back blocking the site later, but T-Data that belongs to the Egyptian Government continued blocking the site until today, leaving the internet users unable to get access to it, to be a cheek irony, that the time when the website of the most important political movement in Egypt is blocked coincides with the hosting the largest telecommunication conference in Africa- Africa Telecoms Conference.

Maro tamin'ireo mpitsidika ny tranonkala Kefaya no gaga tamin'ny tsy nahafahany nitety ilay tranonkala nandritra ny antso nalefa ho an'ny Fitokonana ny 4 Mey 2008, na io tamin'ny alalan'ny orinasa T-Data na “Link”, raha nanala ny fanakanana ny tranonkala ny Link taty aoriana, fa ny T-Data kosa izay an'ny Governemanta Ejiptiana dia mbola nanohy nanakana ny tranonkala hatramin'ny fotoana nanoratana, ka tsy afa-niditra tao ireo mpisera aterineto, toy ny maneso satria nifanandrify tamin'ny fampiantranoana ny fihaonamben'ny fifandraisandavitra lehibe indrindra tao Afrika ny fotoana nanakanana ny tranonkalan'ny hetsika ara-politika lehibe indrindra tao Ejipta.