Tonizia: Navotsotra ilay mpanoratra an-tserasera ary niakatra fitsarana ilay ny toniandahatsoratry ny tranonkala 

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navotsotry ny governemanta Toniziana ilay mpisolovavan'ny zon'olombelona sady mpanoratra an-tserasera Mohammed Abbou izay efa nogadraina efa ho 28 volana izao. Nosamborina Atoa Abbou tamin'ny volana Martsa 2005 ary voaheloka higadra telo taona sy tapany noho ny nanoratany lahatsoratra an-tserasera mitsikera ny rafi-pamonjana Toniziana sy nampitahainy ireo gadra politika ao amin'ny fireneny tamin'ireo izay any Abu Ghraib. “Ny fanafahana ahy dia vokatry ny hetsika fanoherana ny famoretana nataon'ireo Toniziana izay mahavita miteny hoe tsia eo anatrehan'ny fitondrana manitsakitsaka ny zon'olombelona fototra ,” hoy Abbou tao anatin'ny antsafa nifanaovany tamin'i Al Jazeera.

Saingy tamin'izany fotoana izany indrindra dia niatrika fitoriana fanalam-baraka mifototra amin'ny lahatsoratra an-tserasera izay nosoratany tamin'ny herintaona (2006) ny toniandahatsoratry ny tranonkalam-baovao Kalima (voasivana any Tonizia) Omar Mestiri noho ny fiampangany fa nanao hosoka ny mpisolovava mpanohana ny governemanta. Mety hiteraka sazy  telo taona an-tranomaizina ny fitoriana . ” Tsy mitombina ny fiampangana satria tsy azo vakiana ao anaty aterineto ao Tonizia ity lahatsoratra ity ary efa nobahanan'ny manampahefana ilay tranonkala,” hoy ny Reporters Sans Frontières.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.