- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Manohy mandraoka ireo fitaovana nomerika ny mpitandro filaminana

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa  tamin'ny volana aogositra 2009)

Manamafy [1] ny fanafihany amin'ireo mpikatroka an-tserasera, indrindra ireo bilaogera ny mpitandro filaminana. Ny 08 Aogositra 2009, nosakanana ilay Ejipsiana bilaogera Wael Abbas [2] nandritra ny fiverenany avy any Beirut, ary nogiazana ny CD, ny flash ary ny karatra amin'ny fakan-tsariny. Tsara homarihina fa fanindroany izao i Abbas no nosakanan'ny mpitandro ny filaminana, efa ho iray volana izay raha notazonina tao amin'ny seranam-piaramanidina [3] i Abbas ary nogiazana koa ny solosaina findainy.