- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malayzia: Navotsotra ilay Bilaogera Raja Petra Kamarudin (RPK)

Sokajy: Malezia, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2008)

Nanapa-kevitra ny Fitsarana Avon'i Shah Alam, renivohitra Selangor any Malayzia fa tsy ara-dalàna ny fisamborana ilay bilaogera malaza, Raja Petra Kamarudin (RPK), teo ambany Lalàna momba ny fiarovam-pirenena 1960 (ISA). Nilaza  [1]ilay mpitsara Syed Ahmad Helmy Syed Ahmad fa tsy araka ny lalàm-panorenana ny fanagadrana, ary tsy nanaraka ny fepetra ara-dalàna araka ny fizarana faha-8 ao amin'ny ISA ny minisitry ny atitany tamin'ny famoahana didy fanagadrana an'i RPK. Noho izany, dia namoaka didy ho an'i RPK izy mba hiakatra fitsarana androany amin'ny 4ora hariva, aorian'izany dia tokony avotsotra izy.

Raja Petra Kamaruddin [2]

Tamin'ny famotsorana azy, nilaza i RPK hoe [1]:

Not many people have challenged the act (ISA) so much and I did not have much high hopes (of being released). This application allowed under Section 8 is a special prize. This showed ISA cannot be used. I hope this is not a political decision. I don't want to be the prime minister. I want Anwar [Ibrahim] to be the PM.

Tsy dia maro ny olona nanohitra mafy ny lalàna (ISA) ary tsy nanana fanantenana be loatra (ho avotsotra) aho. Loka manokana ity  fampiharana azo teo ambany Fizarana faha-8 ity. Nampiseho izany fa tsy azo ampiasaina ny ISA. Manantena aho fa tsy fanapahan-kevitra ara-politika izany. Tsy te ho praiminisitra aho. Tiako i Anwar [Ibrahim] no ho PM.

Tamin'ny 12 septambra tamin'ity taona ity, notazonin'ny polisy araka ny ISA noho ny baiko fanagadrana nosoniavin'ny minisitry ny atitany Syed Hamid Albar i RPK. Araka ny filazan'i Syed Hamid, ny antony fisamborana an'i RPK dia noho ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny vavahadin-tseraserany malaza, ‘Malaysia Today [3]‘. Voalaza fa naneso ny finoana silamo ireo lahatsoratra ireo, ary nisy ny ahiahy teo amin'ny Minisiteran'ny atitany fa mety ho tezitra amin'izany ny Maleziana Miozolomana. Voalaza [4] fa noho ny famotsorana an'i RPK, maro ireo mpikatroka ara-tsosialy sy mpanao politika mpanohitra mitaky ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny atitany.

Fanindroany izao i RPK  no voasambotra araka ny ISA. Tamin'ny taona 2001, notazonina tsy nisy fitsaràna izy nandritra ny fihetsiketsehana reformasi nateraky ny fandroahana sy fanagadrana ny praiminisitra teo aloha Anwar Ibrahim, izay mpitarika ny mpanohitra amin'izao fotoana izao. Navotsotry ny polisy i RPK taorian'ny 53 andro nefa tsy nandefasana azy tany amin'ny fonjabe Kamunting.

Voalaza fa [5] hampakatra fitsarana ambony manoloana ny famotsorana an'i RPK ny minisitry ny atitany, Syed Hamid.

Lahatsoratra mifandraika amin'izany: