- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Noafahana ilay mpikatroka Ejipsiana

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Noafahana ireo mpikatroka Ejipsiana roa, Esraa Abdel Fattah Ahmed, izay nanangana ny vondrona Facebook “6 April “ sy ilay bilaogera Mohamed Sharkawy [1]. Samy nosamborina avokoa i Esraa sy i Sharkawy ny 5 aprily 2008 raha nizara taratasy filazana momba ny fitokonana ny 6 Aprily 2008 [2] .