- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fisamborana an'ilay bilaogera niova fo ho Kristiana tao Arabia Saodita

Sokajy: Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny voalazan'ny Tambajotra Arabo Misahana ny Vaovaon'ny Zon'olombelona [1] (ANHR), nosamborin'ny manampahefana Saodiana i Hamoud Bin Saleh ilay bilaogera 28 taona [2] ary nosakanany ny bilaoginy Masihi Saudi [2] (Kristiana Saodiana). Nilaza ny ANHR avy eo fa nosamborina ilay bilaogera Hamoud Bin Saleh “noho ny heviny sy ny fanambarany tao amin'ny bilaoginy fa niova fo avy amin'ny finoana Islamo ho Kristiana izy.”

Based on information obtained by ANHRI, the Saudi authorities jailed the young blogger at the infamous Eleisha political prison in Riyadh; a prison which in 2004 witnessed the arrest of the reformists Matrouk el Falih, Ali el Domini and Eissa al Hamed.

The 28-year-old alumni of the al Yarmouk University in Jordan has been arrested twice before; for nine months in 2004 and last Nov. Saudi Arabia, which decided to sponsor an interfaith dialog conference in New York last Nov. and because his arrest may tarnish its image and expose the Saudi government's false allegations, has to set him free. That conference was attended by representatives of 80 countries.

But the blogger re-arrest, after the conference wrapped up, raised fears upon his life because the entire world is busy following up the aggression on Gaza and the Saudi authorities may seize the chance to make him an example with nobody watching.

 

Araka ny vaovao nomen'i ANHRI, nogadrain'ny manampahefana Saodiana tao amin'ny fonja politikan'i Eleisha malaza ratsy any Riyadh ilay tanora bilaogera; nahita imaso ity tranomaizina ity ireo reformista Matrouk el Falih, Ali el Domini ary Eissa al Hamed nosamborina tamin'ny taona 2004.

Efa nosamborina indroa talohan'io ity mpianatra tranainy 28 taona avy ao amin'ny Oniversite al Yarmouk any Jordania ity; nandritra ny sivy volana tamin'ny taona 2004 ary farany ny volana ny volana Novambra 2008. Tsy maintsy namotsotra azy i Arabia Saodita, izay nanapa-kevitra ny hanohana ny fivoriambe fifanakalozan-kevitra ara-pinoana tao New York ny volana Novambra 2008, ary satria mety hanimba ny endriny koa sy hampiseho ny fiampangana diso avy amin'ny governemanta Saodiana, ny fisamborana azy. Nanatrika izany fihaonambe izany ny solontenan'ireo firenena miisa 80.

Saingy ny fisamborana indray ilay bilaogera, rehefa tapitra ny fivoriambe dia nampitombo ny tahotra ho an'ny fiarovana ny ainy satria variana tamin'ny fanarahana ny herisetra tany Gaza izao tontolo izao ary mety hanararaotra izany ny manampahefana Saodiana mba hanaovana azy ho ohatra rehefa tsy misy olona mijery.