- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy afaka nidirana ny Livejournal tany Kazakhstan

Sokajy: Kazakhstan, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Blockpage Kazakhstan

Nalaina rehefa voasakana ny fidirana amin'ny sehatra famahanana bilaogy malaza Livejournal.com ity pikantsarin'ny misy ny fanakanana ny pejy Kazakh ity. Loharanon-tsary: Blockpage Gallery [1] 

Toa tsy afa-niditra tamin'ny sehatra famahanana bilaogy malaza sady tambajotra sosialy Livejournal.com [2] tamin'ny alalan'ireo Mpanome Tolotra Aterineto Kazakh ireo Kazakh mpisera aterineto. Araka ny voalazan'ny Reuters Canada [3], bilaogera Kazakh vitsivitsy avy ao amin'ny Livejournal ihany no afaka miditra amin'ity tranonkala ity amin'ny alalan'ireo mpanome tolotra aterineto madinika na amin'ny alalan'ny fampiasana ny proxy. Toa azo nidirana anefa ny Livejournal.ru [4] .

Nanda ny Talen'ny Fifandraisandavitry ny Teknolojiam-baovao Kazakh fa tsy nanakana ny fidirana tamin'ny Livejournal ny fireneny, raha nilaza kosa ny mpitondranteny ho an'ny orinasan'ny fampitam-baovao an-tserasera Rosiana SUP [5], izay manana ny tolotra famahanana bilaogy fa “tsy ny Livejournal mihitsy no nanakana ny mpisera Kazakh.”