- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Noafahana i Monem ary nalaina am-bavany i Amr Gharbeia

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niseho teo anatrehan'ny Mpampanoa lalàna izay nandidy ny hamotsorana azy taorian'ny 45 andro nigadrany [1] ilay bilaogera Abdel-Monem Mahmoud [2]. ” Andrasana hivoaka ny Asabotsy aorian'ny famenoana taratasy i Monem sy ny tariny. ” Hoy ny mpisolovavany.

Nitatitra [3] i Hossam el-Hamalawy fa ilay bilaogera Ejipsiana Amr Gharbeia [4] dia nalaina am-bavany noho ny fiampangana ho nanao fanalam-baraka ary avy eo navotsotra tamin'ny fandoavana antoka LE200. Nandritra ny fakàna am-bavany azy dia “niezaka nanery an'i Amr hamoaka ny adiresy IP an'ireo mpamaky izay namoaka fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaoginy ilay mpampanoa lalàna, saingy nolavin'i Amr tsotra izao izany. “.

Ny mpitsara antsoina hoe Abdel Fattah Mourad  [5]izay nametraka ilay fitoriana no nangataka ny fanakanana ireo bilaogy  sy tranonkala miisa 21 [6] tany Ejipta.