Ejipta: Noafahana i Monem ary nalaina am-bavany i Amr Gharbeia

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niseho teo anatrehan'ny Mpampanoa lalàna izay nandidy ny hamotsorana azy taorian'ny 45 andro nigadrany ilay bilaogera Abdel-Monem Mahmoud. ” Andrasana hivoaka ny Asabotsy aorian'ny famenoana taratasy i Monem sy ny tariny. ” Hoy ny mpisolovavany.

Nitatitra i Hossam el-Hamalawy fa ilay bilaogera Ejipsiana Amr Gharbeia dia nalaina am-bavany noho ny fiampangana ho nanao fanalam-baraka ary avy eo navotsotra tamin'ny fandoavana antoka LE200. Nandritra ny fakàna am-bavany azy dia “niezaka nanery an'i Amr hamoaka ny adiresy IP an'ireo mpamaky izay namoaka fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaoginy ilay mpampanoa lalàna, saingy nolavin'i Amr tsotra izao izany. “.

Ny mpitsara antsoina hoe Abdel Fattah Mourad izay nametraka ilay fitoriana no nangataka ny fanakanana ireo bilaogy  sy tranonkala miisa 21 tany Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.